Fahoriam-bahoaka: odian’ny mpitondra fanina

Andry Tsiavalona

Tsy ny Malagasy tsy vakivolo no afaka mahatakatra ny mahamety na tsy mahamety ny fomba fitantanana ny firenena eo amin’ny sehatra rehetra. Ny manahirana ny vahoaka dia ny vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra tato anatin’ny volana maromaro, indrindra nandritra ny fihibohana. Fitarainana noho izany no heno etsy sy eroa ary miantefa any amin’ny filohan’ny Repoblika izany. Tsy resahana intsony ny “kere” any Atsimon’ny Nosy, tsy afaka manoatra anefa ny mponina satria dia niaraha-nahita fa mangahazo no napetraka teny amin’ny tokontanin’ny fianakaviana tsirairay, ary tsy fantatra akory izay nanome izany.

Nisaotra ihany ireo tra-pahasahirana na izany aza, kanefa kosa tsy rariny ary misy mizana tsindrin’ila sy fanaovana zanak’ikala hafa ny ataon’ny fitondrana satria ny faritra hafa, na dia tsy nisy “kere” aza dia nahazo vary iray gony, menaka, voa maina ary nozaraina vola iray hetsy ariary aza ny mponina tamin’ny toerana sasany. Nitety faritra mihitsy ny filohan’ny Repoblika nizara ireny kanefa tsy mba nihaino sy nijery ny fahorian’ny vahoaka any Atsimo izy satria ny solombavambahoaka sy ny tomponandraikitra any an-toerana no mba mampahery ny mponina.

Etsy ankilany koa dia toa tsy zava-dehibe amin’ny mpitondrana izao zava-manjo ny Malagasy mpiray tanindrazana izao satria dia ny fanaovana ny kianja mitafo “manara-penitra” sy “piscine olympique” ao amin’ny tanànan’i Toliara no nanaovana lanonana manetriketrika. Ny fotodrafitrasa mirentirenty sy misintona ny maso ary mampirehareha no laharampamehana ho an’ny mpitondra fa ambinambiny ny fahoriam-bahoaka na dia dradraina isaky ny mihetsika aza fa mihaino sy mahafantatra ny fitarainan’ny gasy ny filohan’ny Repoblika.

Sahiran-tsaina ihany koa ny any Avaratry ny Nosy momba ny resaka lavanila. Iaraha-mahatadidy fa hampiakatra avo telo eny ny vidin’ny lavanila Rajoelina Andry tamin’ny fotoan’ny fampielezankevitra. Natsangana ihany koa ny “Tranoben’ny Lavanila” kanefa dia nitotongana farany izay ambany, tsy mbola nisy toy izany, ny vidin’ity vokatra nampirehereha ny Malagasy ity raha ny marina ary rariny sy hitsiny raha mandeha any an-toerana ny mpitondra manazava ny anton’izao toe-javatra izao. Vesaran-trosa mantsy ny mpamboly ary tsy afaka mampiana-janaka intsony noho izany. Mila fanampiana ihany koa izy ireo.

Ny aty afovoan-tany indray dia manampy trotraka ny “delestazy” ny tsy fisian’ny rano amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa miitatra any amin’ny faritra ity toe-javatra ity ka sady efa mila tsy ho voavidy intsony ny zavatra ilaina andavanandro no tsy misy koa ny rano, ka efa manomboka miala aina tsikelikely ny gasy kanefa ny mpitondra kosa tsy mahita izany satria miaina ambony lavitra ny mety. Tsy misotro ny ranon’ny Jirama fa mividy rano amin’ny tavoahangy plastika. Tsy mividy vary sy laoka eny an-tsena fa eny amin’ny “grande surface” no irahina ny mpanampy.

Ny mpanakanto Malagasy sakanana tsy hanao fampisehoana sy hamory olona mihoatry ny roanjato kanefa nampidirina nitety faritra nampiseho ny kantony ilay afrikana tatsimo nitondra ny vahoaka ho any “Jerosalema”. Nisaotra manokana ny filohan’ny Repoblika ity mpanakanto ity, ka toa izy izany no nanasa azy mba hamiliviliana ny saim-bahoaka tsy hieritreritra ny fahasahiranana mianjady aminy. Mandalo ihany anefa izany fa ny ady amin’ny fiainana isaky ny masoandro miposaka mandra-pilentiny.

Mahari-pery, hono, ny vahoaka Malagasy kanefa raha hitodihana ny tantaram-pirenena dia nisy fetrany ihany izany ary tsy hay tohaina ny rivo-panafahana.