Tsy vitan’ny CUA sy ny Samva ny adidiny – Voaravaka fako miavosa Antananarivo

Fako be miavosa etsy Ampefiloha Ambodirano

Ny Valosoa

Tsy vitan’ny CUA: kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Samva mihitsy amin’izao fotoana ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra. Misy ihany ny fanalana izany fako miavosa izany ataon’izy ireo, saingy amin’ny faritra talakilaky maso ihany izany, fa any ambadika rehetra any dia tena voaravaka fako ny Renivohitra.

Araka ny fanehoan-kevitra olom-pirenena iray tsy nitonona anarana: natao ihany ny tsy hiteny hoy izy, fa vaky vava ihany amin’ny farany. Tena efa voaravaky ny fako ny Renivohitr’i Madagasikara Antananarivo hoy ny fanehoan-keviny. Fako etsy, fako eroa. Tsy laharam-pahamehana ve sa mbola tsy misy fiara sy solika hakàna azy ireo? Ny lalana be lavadavaka moa efa tsy lazaina intsony toy ny eny amin’ny 67ha, sy ny manodidina azy. Andrasana hisy accident na loza indray angamba vao asiana fanamboarana.

Mahamenatra ilay Renivohitra tokony ho fitaratra ny zava-misy, ka tena manalabaraka. Tsy misy mpitantanana ve sa ahoana? Ny tsapa aloha hatreto dia tena tsy vitan’ny ben’ny tanàna Vazahabe sy ekipany ny fitantanana an’Antananarivo, aiza tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, nanao ny ainy tsy ho zavatra avokoa ireo delegen’ny boriboritany miisa 6 tamin’izany sy ny ekipany raha izay resaka fandiovana izay, ny resaka fampandrosoana sy ny sosialin’ny mponina koa tsy ambanin-javatra tamin’izany.

(Sary  Fako be miavosa etsy Ampefiloha Ambodirano)