Fikambanan’ny Zanaka Antagnala Miray – Any Vatovavy ihany no tokony hisy an’Ikongo sy Ifanadiana

Isambilo

Mbola resabe hatramin’izao ny hananganana ny faritra faha-23 eto amintsika, sy ny hamindrana ny distrikan’Ikongo hiaraka amin’ny faritra Fitovinany.

Nanao fanambarana ny FIZAMI, na ny Fikambanana Zanaka Antagnala Miray ny faran’ny herinandro teo, fa tokony ho any Vatovavy ihany no hisy an’Ikongo sy Ifanadiana. Araka ny fanambarana, aoka tsy ataonareo zavatra mahagaga raha ohatra, ka izao vao nanao fanambarana ny FIZAMI hoy izy ireo.

Araka io anarany io, ity fikambanana ity dia fikambanan’ny Zanaka Antagnala manontolo, izany hoe ny ao anatin’ny Distrika IKONGO sy IFANADIANA. Noho izany àry dia voatery tsy maintsy niandry fotoana malalaka tsara ho an’ny rehetra vao afaka nivory ny mpikambana, ka manao ny fanambarana manaraka izao : mbola mitazona ny hevitra tamin’ny Razanay izahay, fa Ikongo sy Ifanadiana dia tsy azo zaraina, ary tsy hanaiky hozaraina mihitsy na oviana na oviana. Izahay rehetra dia miara-manambara etoana, fa tsy ho any Fitovinany mihitsy, hoy ny filoha lefitry ny fikambanana, MANANTSARA Benoit.