Ministeran’ny serasera sy ORTM – Tsy mangarahara ny fitantanana

Ny tranoben’ny ORTM etsy Anosy.

Ny Valosoa

Araka ny vaovao nampitaina mpiasa ao anivon’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny sersera, sy ny ORTM, na ny Ofisin’ny Radio sy ny Televiziona eto Madagasikara, izay mpiahy ny Radio Madagasikara (RNM) sy ny Televiziona Malagasy (TVM) ary ny fitaleavan’ny fotodrafitrasa teknika amin’ny haino aman-jerim-panjakana (DIT), tsy mangaraharaha ny fitantanana ao anivon’izy ireo.

Nandritra ny fitondran’ireo tale jeneraly nifandimby, tao amin’ny ORTM hoy ny fanambarana, nisy ny mangarahara tamin’ny fitantanana tao anivon’izany ofisy izany, misy hatrany ny tatitra sy ny fanaovana peta-drindrina ny vola miditra sy mivoaka isam-bolana nataon’ireo mpitantana, amin’izao fotoana, tsy misy intsony izany. Mba hahafahan’ireo mpitantana ao amin’ny ministera sy ny ao amin’ity ofisy ity mandidy dia homana, nofoanana ny Filankevi-pitantanana, na ny CA ny ORTM, nefa misy solontenan’ny mpiasa sy ny mpihaino ary ny mpijery ny radio sy ny televizionam-panjakana tao anivon’izany CA izany.

Raha ny fanazavana tamin’izany fotoana dia hoe niova ny rafi-pitantanana (organigramme) no nahatonga ny fandravana ny CA ny ORTM, nefa raha tena nalalinina hoy ireo mpiasa dia mba hahafahana mandidy dia homana no tena anton’ny fandravana, satria tokony hahazo ny fankatoavan’ny CA avokoa ny fanapahan-kevitra raisina. Ny zava-misy ihany koa, mijaly ireo mpiasa ankehitriny amin’ny fanatanterahana ny asany, efa mandidy dia homana ireo mpitantana nefa tsy ao ny fitantanany, fiara iray ihany no hany ampiasain’ny mpiasan’ny RNM sy ny TVM eo amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo, hany ka sahirana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny amin’ny maha-haino aman-jerim-panjakana, na haino aman-jerim-bahoaka azy.

Araka ny voalazan’ireo mpiasa nampita vaovao, mbola misy ireo olana samy hafa ao anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina sy ny ORTM, fa havoakan’izy ireo amin’ny maha-mety azy avokoa izany rehetra izany.