Filoha Ravalomanana – Tsy hangina ny mpanohitra satria sahirana ny vahoaka

Isambilo

Tsy hangina ny mpanohitra, satria tena sahirana ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana, hoy ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sady filohan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), raha nanokatra ny fivorian’ireo vondron’ny olom-boafidy: ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny kaominina (Collectif des élus Maires et conseillers) amin’ny faritra Analamanga izy omaly, tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM etsy Bel’Air Ampandrana.

Sahirana ny rehetra amin’izao fotoana hoy i Dada satria tsy misy filaminana politika eto amin’ny firenena, tsy misy ny firaisankinam-pirenena. Noho ireo antony ireo, miaina ao anaty tebiteby ny rehetra.

Nohazavainy nandritra izany fa ny antoko politika ny tanjony dia ny haka fahefana, hamerenana amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka izay mikorosy fahana ankehitriny. Tsy misy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Ho an’ireo olom-boafidy TIM novoriana, nambarany fa mila manaraka fitsipiky ny antoko na discipline izy ireo, mila miray hina koa. Mahakasika ny fiainam-pirenena, jadona no iainana amin’izao fotoana. Ho arofanina ho an’ny mpitondra ny mpanohitra, fa tsy mila hiara-hitondra hiaraka aminy, efa mivonona amin’ny fifandimbiasam-pahefana ny mpanohitra izay tarihany hoy ny filoha Marc Ravalomanana.

Ankoatra izany, ampihàro eto amin’ny firenena hoy izy ny fahaiza-mitantana, atsaharo ny fampitahorana, ny kolikoly mahazo laka amin’izao fotoana. Tsinjarao tsara ny volam-panjakana, satria tokony hisitraka izany avokoa ny vahoaka tsy ankanavaka, fa tsy olona voafidifidy ihany.

Notsindriany fa maro an’isa ny ao amin’ny fanoherana amin’izao fotoana eto amin’ny firenena. Mahakasika ny fifidianana senateran’I Madagasikara kasaina hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao, tsy handray anjara amin’izany ny antoko TIM sy ny fanoherana satria tsy feno ny fepetra rehetra tokony hanatanterahana io fifidianana tsy mivantana io.

Nandray fitenenana tamin’izao fivoriana izao ihany koa ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, fampitam-baovao, fameloma-maso indray ny antoko, ary fampahatsiahivana ny fitsipika mifehy ny antoko ny anton’izao fivorian’ny collectif des élus Maires et conseillers izao hoy izy.