NY MAHAMAIKA ANAY VAHOAKA

(Akon’izay niseho tao Arivonimamo)

Nanantena be ‘zahay fa hisy vatsy hozaraina,
Ka dia niomana aok’izany, velon-kira vao maraina.
Kanjo inona no teo, ny maso foana no nangaina,
Fa tsy tonga ilay nandrasana ka dia tena nody maina!

Tena mafy ny manjo, mavesatra ny tsy fisiana.
Tao anaty fihibohana, be ny ngidim-pahoriana,
Ka tsy dia ny ho eny an-kianja no hampisy fifaliana
Fa ny hahazo vatsy tohana, izay no tena faniriana .

Tsy hihaino izay kabary sy karazan-dahateny,
Izay mitory fidedahana araka ny re ombieny,
Fa ny hahazo vatsy tohana, sy ‘zay mety hoe habeny,
Izay ny anay fa raha kabary, efa mankaleo ireny!

… Izay ny anay no mahamaika raha antsoina ho eny an-kianja,
Fa tsy hoe hijery fiara Cadillac tena manja,
Na hihaino ny mpitondra hanao kabary tsara rindra.
Fa ho anay izao,vatsy tohana, izay no tena maika indrindra!

Tena noana anie ‘zahay fa tsy fitia te hitaraina!
Na ny paosy na ny nongo, ‘ndeha jereo fa tena maina.
Tsy mpitondra mihoerahoera, tsy izany izao no ilaina
Fa izay mety ho vatsy tohana mba ho tena tonin’ aina!

DADAN’i ZINA (17-11-20)