Fiainam-pirenena – Mitady ho kendan’ny vomanga nasesiky ny tànany ny fitondrana

Andry Tsiavalona

Anisan’ny vaovao tena mahasarika ny vahoaka gasy tokoa tato anatin’ny roa andro, ny lalao baolina kitra nihaonan’ny Barea Madagasikara sy ny Elefanta avy atsy Côte d’Ivoire. Efa tsara rehefa nanao ady sahala ny roa tonta ary mitovy ny isan’izy ireo ao anatin’ny vondrona K misy azy. Raha ny tombana ataon’ny mpanaraka baolina kitra dia efa any Cameroun ny tongotra ilan’ny Barea. Tombatombana ihany izany fa sarotra ny mahafantatra ny havoaky ny hampitso. Tsy mbola afaka mirehareha araka izany ny gasy, fa ny ho avy no hahafantarana izay ho avy. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia hitondra inona eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny Malagasy eo amin’ny lafiny sy ny sehatra isa-tokony izany?

Raha fintinina dia tsy hampivoatra na inona na inona eto amin’ity Nosy ity ny resaka baolina kitra. Raha ny zava-nisy nandritra iny lalao iny dia tsy voahaja intsony ny fepetra napetraka iarovana amin’ny valanaretina, izay iaraha-mahalala fa nampikorosofahana ny fiainan’ny olona maro sy ny toekarena amin’ny ankapobeny.

Ny tena zava-doza dia ny ao amin’ny fitondrana mihitsy no mampianatra na manome modely ny vahoaka tsy hanaja izany fepetra izany. Nahaentana olona maro ihany koa ny hetsika nataon’ireo parlemantera tany Antsirabe tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tranga hatramin’izay dia tsy azo ekena ny mitarika olona midina eny an-dalàmbe, saingy ny nifanohitra tamin’izany no nitranga tany Antsirabe. Tsy navela niditra tao amin’ny Magro ny olompirenena liana tamin’ny tatitry ny fivorian’ny Antenimiera sy fampahafantarana ny zavatra iainan’ny firenena eo amin’ny sehatra rehetra. Nifanohitra tamin’ny tany Mahajanga ihany koa iny tranga iny, ka tsy fantatra intsony fa tsy mitovy ny lalàna mihàtra eo amin’ny Faritra samy hafa satria tsy navela namory vahoaka tao amin’ny Magro, satria tsy mifefy, koa ny parlemantera.

Amin’izao fotoana izao dia namoaka fanapahan-kevitra indray ny OMC nivory ny alatsinainy teo fa tsy azon’ny depiote lany tany amin’ny distrika iray ny mamory vahoaka na manao tatitra any amin’ny distrika hafa tsy nahavoafidy azy na dia mitondra ny anarana Solombavambahoakan’i Madagasikara aza izy ireo. Raha ny fijerin’ny fitondrana dia miteraka korontana izany fanaovana tatitra izany, indrindra amin’izao fotoana fanomanana ny fifidianana loholona izao. Iaraha-mahalala anefa fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fanatanterahana izany fifidianana izany satria very zo ireo mpifidy vaventy any amin’ireo kaominina mbola tsy tanteraka ny fifidianana. Tsy mbola voafidy koa ny filohan’ny Faritra sy ny mpamolotsainam-paritra sy ny Faritany ary ny filankevitry ny Faritany.

Araka izany dia izay fanapahankevitra raisin’ny fitondrana izany dia mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana avokoa kanefa izao fitondrana izao no niketrika ny Lalàmpanorenana iainana amin’izao Repoblika IV izao.

Tongatonga ho azy teo amin’ny fitondrana izany ireo tomponandraikitra ireo, ka mitady ho kendan’ny vomanga nasesiky ny tànany ihany. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fampielezankeviny, fa ho foanany ny Antenimierandoholona fa mandany vola be. Ireo ao anatin’ny antokony ihany anefa amin’izao fotoana izao no mibosesika ho kandidà amin’ny fifidianana Loholona amin’ny volana desambra ho avy izao. Sahiran-tsaina daholo na ny politisiana na ny olompirenena tsotra satria fanovàna mizotra any amin’ny fikorisana mamotika firenena izao ataon’ny mpitondra izao. Mifanipaka toy ny valala an-karona sy mifanenjika ary mifankahala mihitsy aza anefa izy ireo amin’izao fotoana izao.