Trakitera an’arivony avy any Inde

(Sary nindramina)

Tsy mazava ny nanaovan’ny governora Vy Vato azy ireo, hoy Me Hanitra.

Nampiaka-peo ny depiote voafidy tao amin’ny Boriboritany voalohany eto Antananarivo Renivohitra, Me Hanitra Razafimanantsoa, tany Antsirabe ny faran’ny herinandro teo, fa tsy mazava ny nanaovan’ny governoran’i Vakinankaratra, Vy Vato Rakotovao, an’ireo trakitera an’arivony avy any Inde tamin’ny tetezamita, izay tokony ho zaraina tamin’ny tantsaha manerana ny Nosy. Tamin’ny andron’ny fitondrana Ravalomanana no nanafarana azy ireo.

Nandritra ny tetezamita, nitoby tao Iavoloha ireo trakitera ireo, ary niha-tsy hita tsikelikely izany nandritra ny naha-ministry ny fambolena an’i Vy Vato Rakotovao nandritra ny tetezamita.

Miantso ny Bianco arak’izany ny depiote Me Hanitra, hanokatra fanadihadiana ny governoran’i Vakinankaratra momba ireo fitaovam-piasan’ny tantsaha an’arivony, izay tsy hita ireo ny nanjavonany.

(Sary nindramina)