MIADY AN-TRANO

Efa tena miady an-trano ny ao anaty fitondrana.
Rem-bahoaka ety ivelany ny eso sy fifandatsana.
‘Zany rehetra rehetra izany no efa marika, fambara,
Fa ho ratsy dia ho ratsy ny fandehan’ny tantara.

Ny mpiray lovia omaly no indreo mifampihantsy,
Ary dia tsy miery intsony fa mifampidera fantsy.
Ny “akoho vavy” moa tsy laitra f’efa tena mifamely,
Ka sahiran-tsaina lalina ny amin’izany i boaikely.

Tsinjo f’efa mihatakataka ry zalahy izay niara-niainga.
Tongatonga saina angamba f’efa leon’ny laingalainga,
Na koa leon’ny sehosehon-dry dedaka sy matin-kambo,
Ka mitady hanavo-tena f’efa mihilana ny sambo!

… Efa tena miady an-trano ny ao anaty fitondrana.
Samy te hameno paosy, tsy misaina ny hiafaràna.
Tsy hahazaka firy anefa raha handao itony tany.
Angaha hitondra Cadillac raha ho any an-danitra any?

DADAN’i ZINA (14-11-20)