17 Novambra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao: afaka milaza ve ra-eric, filohan’ny HCC, fa milamina ny tany zao ? vola tsy misy , fanampiana tsy misy, fa mihidy ny robinet , vono olona tsy vono olona, fanolanana tsy fanolanana , dahalo ambony sy ambany latabatra, volamena vatosoa miondrana sy mibanaka izay tsy izy, lalana, jiro, rano tsy hita izay hozany. Mety ho rotak’io kelikely eo, noho ny mety ho fahavakisan’ny fiarahamonina.

Misia ialahy isany maty ao ry Hajo a! tsy efa feno ve ny paosy e! taiza foana hatrizay variana nitsako dia tsy re ? efa ho vita ny parcours vao mody miteny. Ho avy ny anareo e!

Mananasy vs salady , mbola aiza ny villa sy ny écolage amina miliara , bonbon sucette sy écran plat , yaourt sivy arivo ny iray pot! zao gina daholo nareo mianakavy nefa tamin’izany wawawa be no nahazo an’i vangy, dia mahasahy miteny ny sasany fa ny hisian’ny filaminana hono ny tanjony. Raha tsy bankiropitrareo eto izany ny malagasy tsy mahazo miteny ve?
Mba jereo fa na ny sainam-pirenena aza efa handrandramandrizareo milaza fa hanova ny tantaran’i Madagasikara.

Ny vahoaka izao efa ny be antitra sy ny zaza sisa no hatao izay tsy hahatapaka ny hanina eo am-biliany, mafy izao fa mahatantesa fotsiny! Matezà ny aina fa ny gasy leitsy mafy handrahoina a!

Kelly Géant
Mpamaky gazety Ny Valosoa