INONA NO ATAHORANA?

Inona no atahorana, sa dia tsy matoky tena
Ianareo ankehitriny izay mitondra firenena?
Fa toa tratry ny antsojay hatramin’iretsy solombava,
Izay mikasa hiseho vahoaka sy hanao tatitra mazava?

Ny lalàna no milaza fa adidiny sy andraikiny
Ny mamangy ny vahoaka sy mijoro ho eo akaikiny,
Ary mihaino ny hetahetany sy manao ny tatitra aminy,
Fa izay ilay solombava, izany koa no rindrandaminy.

Saingy indrisy tsy izany no nitranga tato ho ato,
Fa voasakana izy ireo tao Mahajanga, hatrany Ambato.
Fianara ihany koa, Antsirabe tsy mbola re,
Fa dia ireo herim-pamoretana no mameno ny arabe !

…Dia inona no atahorana, f’angaha tsy maro an’isa indray
‘Nareo antokon’ny mpandrava, mihevi-tena ho “milay”?
Tsy misy filaminan-tsaina sy tsy misy fitoniana
Fa dia toa mitaintain-dava, sahobakaka am-bodiriana?

Inona no atahorana? misy marina nafenina?
Misy fitaka sy lainga izay tsy tiana hotenenina?
Tena inoana fa izany no antony hanakanan-dava
Sy handrarana ireo loholona ary koa ny solombava !

DADAN’i ZINA (13-11-20)