Fiainam-pirenena – Ho rava ny fanjakàna miady an-trano

Helisoa

Misamboaravoara ny fandehan’ny fiainam-pirenena ankehitriny, raha tarafina amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Hita mibaribary mantsy fa tena tsy mahatanty tsikera ity fitondràna mizahozaho fa TGV haingam-pandeha ity. Na ny ao anatiny aza efa maro no maneho hevitra etsy sy eroa mitsikera, mba hanatsaràna ny fomba fitantanana fa eee! Tena maharary no mahazo azy ireny, ary manoatra mihintsy aza noho ireo mpanohitra fitondràna ankehitriny.

Ny mahagaga anefa dia ireo olona namono tena nampiakatra ny filoha ankehitriny teo amin’ny fitondràna no tena lasibatra amin’izany. Ny Tandapa avara-patana ao andapa no tena hita mibaribary ny zavatra ataony, satria izay angamba no heveriny fa hoe mahatsara ity fitondràna ity. Ka na fanakianana mahasoa ny firenena aza ny hevitra haroson’ireo olona akaiky fitondràna, mba maneho ny heviny dia ratsy foana raha vao tsy mifanaraka amin’ny zavatra tian’ny mpitondra atao. Ohatra azo raisina amin’izany ny resaka famakiana ny faritra Vatovavy Fitovinany.

Tsy misy afenina intsony izy ireny fa efa mibaribary toy ny vay an-kandrina miseho amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany, indrindra eny amin’ny tambazotran-tserasera. Vao tsy ela akory no nisy ny fifamaliana tao amin’ny tambazotran-tserasera teo amin’ny vadin’ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Angôvo, Andry Andriatongarivo, sy ny talen’ny seraseran’ny prezidansa Rinah Rakotomanga. Nisy ny fifanalàna baraka tamin’izany, saingy nangingina kely tato aoriana. Ny minisitry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo efa nampiakam-peo tamin’ny haino amanjery. Nanambara ity farany tamin’izany hoe ‘aza misekoseko ianareo olom-boatendry‘ misy dikany be izany raha olona manana andraikitra eto amin’ny firenena no miteny toy izany, misy raha ao. Vao omaly ny omaly no hita tamin’ny tambazotran-tserasera ihany koa ny fifamaliana teo amin’ny solombavambahoaka Brunelle Razafitsiandraofa voafidy tao Ikongo, filoha lefitry ny Antenimierampirenena faritany Fianarantsoa, sy ny talen’ny seraseran’ny prezidansa ihany Rinah Rakotomanga. Fiarovana ny tany niaviany sy nahavoafidy azy ve no anenjehana ity olomboafidy mitovy loko aminy ity, koa inona no olana amin’izany? Ny fitenenany fa mbola tsy nisy tanteraka ny fampanantenana natao tany amin’ny tany naha lany azy ho depiote ve dia tena zavatra ratsy.

Ny mahafaly ity mpitondra ity aloha dia ny fitenenana hoe ‘misaotra prezida ‘ na zavatra hita fa efa mivily any amin’ny lalana tsy tokony ho izy aza. Tsy fanipazana hoditr’akondro ve izany? Fa tsy mbola mijanona amin’izany ihany, misy ireo olomboatendry ragôva sy ny depiote no efa misy tsy fifazahoan-kevitra hita mibaribary tsy azo afenina intsony, toy ny any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany iny raha tsy hiteny afatsy izay ihany. Raha akapoka ny zavamisy amin’izao fitondràna TGV tarihan’ny filoha Andry Rajoelina izao dia tsy handroso Madagasikara satria ny mpitondra samy mpitondra aza tsy mifampihaino, ny tompomenakely ihany no mahazo laka. Raha mba manana hevitra tsara aza ny sasany dia heverina ho mpamadika rehefa tsy mitovy hevitra amin’izy ireo. Tsy fantany anefa fa ho rava tsy ho ela izany fanjakàna miady an-trano izany araka ny teny ao amin’ny Baiboly Masina.

Izay ary no mahazo ny samy iray donak’afo, koa maika moa fa ireo mpanohitra. Tsy ahazo laka eto amin’ity firenena ity mihintsy ny hevitra aroson’ireo MPANOHITRA na tsy fanoherana bontolo aza, fa fanoherana mahatsara zavatra sy ho arofanina eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Ka na ao anaty lalampanorenana aza milaza fa zo fototry ny olom-pirenena ny fahafahany maneho hevitra dia raràn’ny tompom-pahefana izany satria fahefàna tsy refesi-mandidy no tiana hapetraka eto amin’ity firenena ity. Tsy mampihemotra ny antoko mpanohitra anefa izany, fa efa roso izy ireo mitety faritra miaraka amin’ireo depiote manao tatitra araka ny zo omen’ny lalampanorenana azy, mba hahalalàn’ny vahoaka ny zava-misy marina eto amin’ny firenena.