Hetsika politika – Any Antsirabe ny mpanohitra anio

Isambilo

Ny tanànan’Antsirabe indray no handray ny hetsiky ny mpanohitra avy amin’ny Vondrona Panorama, ny RMDM, ny depiote TIM ary ny senatera HVM anio. Hisy ny tatitra hataon’ny depiote TIM sy ny senatera HVM amin’ny vahoakan’ny renivohitr’i Vakinankaratra anio, toy ny mahazatra amin’ny fitsidiham-paritra ataon’izy ireo, hisy ihany koa ny fandaharana manokana hiainga avy any Antsirabe rahampitso alahady hariva.

Araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana dia mila manao tatitra ny Solombavambahoaka sy ny senateran’i Madagasikara. Ho fampiharana izany dia hanao tatitra amin ‘ny Vahoakan’Antsirabe ny depiote Michel Ambalavato, voafidy tao Antsirabe voalohany, sy ny depiote voafidy tao Antsirabe faha-2, José Randrianantenaina, anio sabotsy 14 Novembra manomboka amin’ny 11ora tsy diso. Ho avy hanotrona azy amin’izany ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara TIM izay mitana ny toeran’ny mpanohitra, ny senatera HVM, ny Vondrona Panorama, ary ny RMDM.

Momba ity hetsiky ny mpanohitra ity, efa tafapetra afak’omaly ny taratasy fampahafatarana tany amin’ny Prefektioran’Antsirabe. Hafampana arak’izany anio, eo amin’ny resaka politika, ny ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ao.