Volavolan’ny lalànan’ny tetibola 2021 – Mbola tsy tonga any amin’ny Parlemanta hatreto

Aly

Mbola tsy tonga any amin’ny Parlemanta eto amintsika dia ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena hatreto, ny volavolan’ny lalànan’ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy 2021.

Efa ny herinandro lasa teo izany no nolaniana tao anivon’ny filankevitry ny ministra, izay notarihan’ny filoha Rajoelina, avy any Eoropa, tamin’ny alalan’ny visioconférence. Heverina fa amin’ny herinandro ho avy io izany no ho tonga etsy Anosikely, sy Tsimbazaza ary ny CCI, izay anaovana ny fivorian’ireto andrim-panjakana 2 mpanao lalàna ireto.

Raha ny fantatra, ny ifantohan’ity volavolan’ny lalànan’ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy ity, na LFI 2021 dia hifantoka amin’ny fanarenana ny toekarena sy ny sosialy eto Madagasikara, tao aorian’ny valanaretina coronavirus. Miiba ny fitomboan’ny harin-karena eto amintsika amin’izao fotoana, ka ny hampakatra izany ho miabo no ho tanjon’ny mpitondra, ho sarotsarotra anefa izany, satria azo lazaina ho marefo na maivana ihany ny fiezahan’ny mpitondra hampakatra ny harin-karena eto amintsika, ny orinasa mihodina aza akatony, nefa ny vokatry ny sehatry tsy miankina no anisan’ny mampakatra ny harin-karena anatiny faobe na ny PIB. Eo koa ny mbola tsy fihodinan’ny sehatry ny fizahantany tsara hatreto eto amintsika, noho ny fikatonan’ny sisintany, mbola tsy dia maro loatra ny vahiny tonga, izay anisan’ny mitondra vola vahiny.