Barea sy Elefanta – Tsy afaka atrehan’ny mpijery ny lalao

Fahadisoam-panan-tenana no ho hita na ho an’ny mpijery baolina kitra Malagasy, na ny mpijery baolina Ivoiriana eo amin’ny lalao hihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefatan’ny Côte d’Ivoire amin’ ny lalao fifanintsanana amin’ny CAN 2022.

Na ny lalao hatao any Abidjan, na ny lalao hatao any Ba-rikadimy Toamasina dia tsy afaka ho atrehan’ny mpijery araka ny nambaran’ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF) omaly. Io no fana-pahan-kevitra farany norasin’ny CAF, na ny kaon-federasiona Afrikana momba ny baolina kitra hoy ny FMF, mba ho fitsinjovana ny filaminana, sy ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana.

Tsy ny lalao eo amin’i Madagasikara sy i Côted’Ivoire ihany no tsy ho azon’ny mpijery hatrehina izay, fa ireo lalao rehetra tafiditra amin’ity fifanintsanana amin’ny CAN 2022 ity.

Raha ny lalao eo amintsika sy ny Ivoiriana dia rariny raha tsy azo hatrehan’ny mpijery izay ny lalao hatao any Abidjan, satria iaraha-mahalala fa mikorontana ny any an-toerana amin’izao fotoana, noho ny olana politika tao aorian’ny fifidianana. Tsy maintsy ampitoviana hoy ny fanambarana ny zavatra hatrehana any sy ny aty, izay no mahatonga ny lalao miverina aty Madagasikara tsy ho azo atrehina na “à huis clos” koa.

Fahadisoam-panantenana ho antsika rehetra mpitia baolina kitra arak’ izany raha ny zavatra hisy. Arahantsika eto ihany ny ho fivoaran’izay.