ILAY FITSENANA NAMPIHOMEHY !

Tsy mahataitra ny vahoaka ireo karazam-panentanana.
Toa tsy misy vidiny aminy ny hetsika sy fitokanana.
Izay no marika mitory f’efa tsisy mihaino intsony,
Ireo mpitarika, mpibaiko, mpihoerahoera ery ambony!

Tsy araka ny nantenain’ireo mpitondra velively,
Fa toa zary nampihomehy ity fitsenana hafakely!
Tsy olo-manan-kaja manko no nanaovam-porizenitra,
Fa dia haingo, rentirenty, izay ilay hoe “manara-penitra“?

Tsy “barea” hoe hotsenaina fa nivimbim-pandresena,
Tsy izany velively, tsy olo-mangam-pirenena.
Tsy mba ny filoha hajaina no indro tonga tamin’ny sidina,
Ka hilaza fa hoe “azo iretsy nosy manodidina”.

Fa dia ravaka naverina, tena izay no indro tonga,
Ka nanaovana lanonana, nidobohana amponga.
“Fanodinan-tsaina” manko, izay no tena mampalaza,
Ireo mpamitaka vahoaka, mpihevitra azy ho toy ny zaza!

…Mbà misaina, mandiniha ‘nareo izay faly mihoerahoera.
‘Ndeha jereo ka ahitsio fa efa diso be ny lera.
Aza tia manodinkodina na mamily saim-bahoaka,
Fa meteza mba hangina rehefa tena tsisy hapoaka !

TSIMIMALO (06-11-20)