International Gastro Pizza – Notokanana ny orinasa mpamokatra sakafo etsy Ankadimbahoaka

Franck Razakambelo

Hamatsy sakafo ny olona sy ny mpivarotra ary ny mpandraharaha eto an-drenivohitra hatrany amin’ny faritra, ny orinasa mpamokatra sakafo natsangan’ny Groupe IGP (International Gastro Pizza) etsy Ankadimbahoaka.

Orinasa mpamokatra karazana sakafo toy ny Ranom-boankazo 5000 taonina isan’andro, « Crème Glacière » 2000 ta-nina isan’andro, Voatabia 2 taonina isan’andro, karazan-kena maro samihafa sy ny sisa…

Araka ny nambaran’i Chef Mbinina, Filoha Tale Jeneralin’ny Groupe IGP dia hampiseho ny fahaizana mitantana ireo mpanao lakozia, izay manodina ny orinasa ary afaka mampiasa olona maherin’ny 50 ampy traik’efa eo amin’ny tontolon’ny sakafo, no sady manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary efa vita fiofanana maro samihafa hatrany ampitan-dranomasina.

Nilaza i Chef Mbinina, fa tsy latsa-danja amin’ny fikarakarana sakafo any ivelany ny sakafo vokarin’ny Gastro Pizza manomboka izao ary afaka mandray ny komandin’ireo mpanjifa maro be ity farany. Nanamafy ity Filoha Tale Jenera-lin’ny IGP ity, fa fotodrafitr’asa hiatrika fifaninanana ity notokanana ny alakamisy maraina lasa teo ity, izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary ny fanatrarana ny kalitaon’ny vokatra no tanjon’ny orin’asa.

Marihina fa rantsamangaikan’ny GLP (Global Purchase) ny Goupe IGP, izay iandreketan’i Chef Mbinina ary ankoatran’ny fandraharahana sakafo dia hita ao anatin’ny GLP ihany koa ny orinasa mitantana trano fandraisam-bahiny, ny orinasa mitantana trano sy ny fananana, ny orinasa misahana ny fiambenana (GDS Securité).

Tsiahivina fa efa 20 taona no nananganan’i Chef Mbinina an’ireo Ori-nasa rehetra ireo ary nie-zaka nanangana fotodra-fitr’asa miisa 2 isan-taona ity farany.