Life Talk anio amin’ny 8 ora alina ao amin’ny TV Dream In – Arphine Rahelisoa hitantara ny 1 volana tany Antanimora, Samuel Rakotoarivelo hitantara ny 40 taona tany Nosy-Lava

Isambilo

Fandaharana vokarin’ny fahitalavitra Dream In ny Life Talk, na ny Firesahana Fiainana, anio sabotsy amin’ny 8 ora alina. Hitantara ny 40 taona niainany tany an-tranomaizina tany Nosy-Lava any amin’ny distrikan’Analalava, faritra Sofia Rakotoarivelo Samuel, izay efa noafahana tamin’ny sazy nefainy, izay asa an-terivozona mandra-pahafatiny ary efa tafaverina any anivon’ny fianakaviany izy amin’izao fotoana izao. Mafy tokoa izany 40 taona voafonja izany, tsy nahita ny fianakaviana. Ny fonjan’i Nosy-Lava dia fonja nitazonana ireo nanao heloka bevava, sy ireo tsy mahazo mandia Faritany teto amintsika. Efa tsy misy fonja intsony any an-toerana ankehitriny, fa ho ezahan’ny tompon’andraikitra atao vakoka izany toerana izany ary atao toeram-pizahantany koa, satria raha ny tena marina dia nosy kely anisan’ny kanto eto amintsika ity Nosy-Lava ity, kilometatra vitsy miala ny morontsirak’i Madagasikara, eo ampitan’Ananalava, izay renivohitry ny distrika no misy azy.

Ho vahiny amin’izany fandaharana izany koa ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa, mpanao gazety sady talen’ny famoahana ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Hiresaka ny niainany ny 1 volana nitazonana azy tany Antanimora kosa izy. Nenjehina noho ny resaka heloka tamin’ny tambazotran-tserasera, na cybercriminalité, izay tsy tokony ho nampiharina taminy satria mpanao gazety am-perinasa izy. Ny Filoha Andry Rajoelina aza tamin’ny namoahana azy dia efa niaiky, fa noho ny maha-mpanao gazety azy dia navoaka izy tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny 3 mey lasa teo. Voatery namoaka azy koa ny fitondrana tamin’izay satria mafy ny tsindry nataon’ny mpanao gazety, na ny teto an-toerana, na ny tany ivelany; toy izany koa ny nataon’ny fiarahamonim-pirenena, na ny teto Madagasikara ihany koa, na ny tany an-dafy, toy izany koa ny mpanao politika samihafa, eny hatramin’ny olon-tsotra,… dia nitaky izany namoahana azy izany tamin’izay fotoana izay, ka tafavoaka an’Antanimora soa aman-tsara izy rehefa voatana tao nandritra ny 1 volana katroka: ny 4 aprily, ka hatramin’ny 4 mey 2020. Nanao ahoana izay 1 volana izay?

Anio amin’ny 8 ora alina izany ny fotoana amin’io Life Talk, an’ny televiziona Dream In io.