Fiainam-pirenena – Efa manomboka ho sahy ny Fitsarana

Fitsarana tampony - Cour suprême Anosy Madagasikara

Ny Valosoa

Manao lalan-kitankisoa ny fitondrana ankehitriny teo amin’ny tsy fanajana lalàna, anisan’izany ny hosoka samihafa tamin’ny fifidianana nifanesy teto, sy ireo fanamparampahefana mambotry ny firenena. Nahazo vahana ireo fositra ireo satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) dia miaro an-jambany ny tsy mety. Fa nanaitra kosa ny mikasika ny fifanolanana nisy teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), sy ireo mpivarotra eny amin’ny ” Esplanade “ Analakely, satria nandresy hatrany ny fahamarinana na tamin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany na teny amin’ny Filankevi-panjakana, nasehon’ireo mpitsara fa tsy mandaitra amin’izy ireo intsony ny teritery amin’ny endriny samihafa, ary noporofoin’ireo mpitsara ireo ihany koa fa manome hasina ny fianianana nataony, hiaro hatrany ny fahamarinana izy ireo.

Efa manomboka miseho avokoa ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny eto amin’ny firenena, ny SAMIFIN na ny Sampandraharaha Malagasy Miady amin’ny Famotsiambola dia sahy namoaka hoe nahatratra 514 miliara Ariary ny mety fanodikodinam-bolampanjakana tamin’ity taona 2020 ity, raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 580 miliara Ariary ny tamin’ny taona 2019: tafiditra ao anatin’izany ny momba ny hetra, ny fanodinkodinambola, ny hosoka sy ny fisandohana ary ny fanaparampahefana amin’ny vola, sns…

Ny CFM na” Conseil du Fampihavanana Malagasy” efa sahy nanambara fa ny fitondrana no tsy vonona tamin’ny fanomezana onitra ireo niharam-boina tamin’ny raharaha 2002 sy 2009, f ‘izy ireo ao amin’ny CFM efa tapa-kevitra amin’ny fampiharana ny voarakitra ao amin’ny tondrozotra.

Ny HCDDED na Filankevitra Ambony Miaro amin’ny fampiharana ny Demokrasia sy ny Tany tan-dalàna dia sahy nanambara ampahibemaso ny fisian’ny kolikoly eto amin’ny firenena ary lohalaharana amin’izany ny eo anivon’ny fitsarana, io fanambarana navoakan’ny HCDDED io dia tokony hisy fiantraikany be dia be eo amin’ny fomba fiasan’ny fitsarana.

Ireo avy amin’ny firaisamonina sivily toy ny “ROHY” na (Rindran’ny Olompirenena Hiarovana ny Iarahamanana ) sy ireo mitovy fijery aminy dia tsy sasatra ny mampaneno lakolosy manoloana ny gaboraraka ataon’ny fitondrana, fa ny fanontaniana manitikitika ny olompirenena izao dia ny fahanginan’ny “SEFAFI” (Sehatra ho an’ny Fanarahamaso ny Fiainampirenena), izay tsy sasatra naneho hevitra fony mbola fitondrana Rajaonarimampianina, tsy mbola tratra aoriana raha miteny izy ireo ankehitriny.

Tsy ny fositra akory no tsy ambolem-boavahy, satria efa santatra ambavarano ny nataon’ireo ambaratonga samihafa niteny ireo, fa antenaina mbola ho maro ireo ho sahy hijoro amin’izay amin’ny fanajana ny fianianana natao.

Fa andrandrain’ny vahoaka fatratra ny fijoroan’ireo mpitandro filaminana isan-tsokajiny toy ireo Miaramila manana ny teny filamatra hoe “ Ho an’ny Tanindrazana”, sy ireo Zandary manandratra ny teny filamatra hoe “ Tanindrazana sy Lalàna” ary ny Polisy miravaka ny teny filamatra hoe “ Tanindrazana sy Filaminana”, mba tsy ho mpiaro be fahatany ny fitondrana ireo mpanao fanamiana ireo, irian’ny vahoaka indrindra koa ny haheno ny feon’ireo avara-pianarana, vato nasondrotry ny tany, satria manala baraka ny firenena ny zava-misy ankehitriny, fa dia toy ireny tany tsy misy manampahaizana ireny eto Madagasikara.
Fa niniana natao amparafilaza satria ny goavana indrindra dia ny tokony hivoahan’ireo ray amandrenim-piangonana amin’ny fahanginana amin’izay, ka hitaky ny fampiharana tsy amimpihambahambana amin’izay ny 4F(Fahamarinana, Fibebahana, Fiainkenkeloka, Fihavanana), satria ny fanomezana vahana izay mifanohitra amin’ny 4F no mamotika ny firenena.

Ny velona manana adidy ary ny adidy tsy an’olondratsy, ary adidin’ny olompirenena ny mijoro hiaro ny firenentsika, ka tokony hatao zava-dehibe hanala ny tahotra, ny fahasahian’ireo ambaratongampahefana mijoro amin’ny fahamarinana.