DISO VE NY MANONTANY ?

Tsy nahomby ve ny tsindry ka dia tongatonga saina?
Sa nitaky ny havizanana ka mba nakanaka aina?
Tsisy hanakana mihitsy ianao ilay hoe mandeha mivoaka,
Saingy liana ny hahafantatra ny anton-dianao ny vahoaka!

Indrindra indrindra raha fotoana toa somary manahirana,
F’ao Frantsa dia mihidy sady sarotra hidirana.
Amin’izay mihitsy anefa no indro ianao mandeha mankany,
Ka dia gaga ny rehetra, maro no mifanontany.

Inona no dia mampiakatra an’ireo mpitondra teny?
Tsy azo hazavaina tsotra ve ny zavatra toy ireny?
Fa toa valiny hafahafa no mazàna tonga aloha,
Ka mahakivy ny rehetra ny amin’ny “olon’ny filoha” !

Ny ahiahinay dia tsotra, mihanaka ny corona,
Ka raha miverina eto ianao Andriamatoa Prezida,
Dia sao hiverina eto koa ity aretina mandoza,
Nefa hatreto ny vahoaka mbola mitsingozahoza !

TSIMIMALO (30-10-20)