Andrainarivo sy ny manodidina – Toerana fiaingan’ny fandrodanana

Ny Valosoa

Mafanafana toy ny ratsy natao tamin-kavana, izay no azo ilazana ny fandehan’ny toe-draharahampirenena ankehitriny, izay aleha rehetra toa maneno sahona avokoa, toa very fanahy mbola velona ny olompirenena ary mifanontany manao hoe: misy mpitondra ve eto amin’ny firenentsika? Mbola misy ve ny fanantenana fa toa vao mainka miha-milentika izy izany? Dia inona no tokony hatao fa efa sempotra tanteraka e?

Rariny loatra raha miandry valiny amin’ireo fanontaniana ireo ny mpiray tanindrazana, ny azo ambara sy tsy tokony amaivanina dia mizotra foana ny tantaram-pirenena, noho izany isika zanaky ny nosy dia tokony hiezaka hitodika hamantatra ny lasa ahafahana miatrika ny ankehitriny sy mibanjina ny ho avy, mba tsy ho diso amin’izay hametrahana ny tongotra.

Anisan’ny tokony hatao an-tsaina ny mikasika ireo toerana nametraka tantara teto amin’ny firenena, iray amin’izany Andrainarivo, misy ny “Fasan’ny Maherifo” sy ny “Hotel Panorama”.
Ny 30 Septambra 1895 dia teo an-tampon’Andrainarivo no niainga ny tifi-tafondro nataon’ny tafika frantsay notarihan’ny Jeneraly Duchesne namely ny Rovan’Antananarivo, tsy nahasehaka izany tifi-tafondro izany ny malagasy, ka voatery nanangana saina fotsy, ny ampitso 01 Oktobra 1895 dia lasa tany teo ambany fiahian’ny frantsay i Madagasikara. Ny teo Andrainarivo dia toerana nandresen’ny frantsay, ary teo amin’io toerana io no natsangan’ny mpitondra tamin’ny repoblika faharoa ny antsoina hoe “fasan’ny maherifo”.

Ny taona 1991 nisy ny fitakiana ny fananganana ny Repoblika fahatelo izay niteraka savorovoro noho ny fatiolona nitranga teny Iavoloha Atsimondrano ny 10 Aogositra 1991, niditra an-tsehatra ny FFKM nandamina ny raharaha, nampiantso ireo tsy mitovy hevitra teny amin’ny “Hotel Panorama”, niafara tamin’ny “Fifanarahana 31 Oktobra 1991”izany, nahafahana niroso tamin’ny fitondrana tetezamita nikarakara ny fitsapankevi-bahoaka sy ny fifidianana nametrahana ireo rafitra nitondrana ny firenena, fandresena no azo ilazana io fifanarahana vita teny Andrainarivo io satria nampirodana ny fitondrana Ratsiraka.

Ny 20 mey 2010, dia nisy ny hetsika notarihan’ny Hetsikin’ny Mpitondra Fivavahana” na “HMF” teo Andrainarivo, nampifanojoana tamin’ny hetsika fitakiana fahamarinana nataon’ireo zandary avy tao amin’ny FIGN izany, ny vokany dia fisamborana ireo mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana, sy ireo zandary avy tao amin’ny FIGN ary fahafatesan’ny mpitandrina iray, nitera-pahavoazana ho an’ireo sahy nijoro izany, kanefa ihany koa nahazoana vokatra tsara taty aoriana satria taorian’io, dia nomena lanja ireo rehetra niharam-boina, ka lasa voasoratra tao amin’ny tondrozotra nosoniavina ny 17 Septambra 2011, ny mikasika ireo tra-pahavoazana tamin’ny raharaha 2002 sy 2009, saingy tsy te hahalala izany ireo mpitondra ankehitriny, ny fandresena azo tamin’io koa dia ny faharavan’ny fitondrana tetezamita taorian’ny fifidianana.

Rehefa nijoro ny Repoblika fahaefatra, tafapetraka ireo tompon’andraikitra tany amin’ny andrimpanjakana samihafa, kanefa dia tsikaritra fa tsy mbola nandeha tamin’ny laoniny ny raharahampirenena, nijoro indray ireo nahatsapa izany, anisany ireo tao amin’ny “ Dinika ho an’ny FanavotamPirenena “ na “DFP”, izay nivory matetika teny amin’ny “Hotel Panorama” Andrainarivo, io “DFP” no sahy nikitika ny fitondrana Rajaonarimampianaina voalohany, avy eo dia nanaraka azy ny “Hetsikin’ny Solombavambahoaka 73”, izay niteraka ny fanovana ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izany, azo heverina ho fandresena niainga avy teny Andrainarivo koa izany.

Ankehitriny dia misy ny “ Vondrona Panorama”, arak’izany anarany izany dia tao amin’ny “Hotel Panorama” no nanao fanambarana voalohany ny fisiany sy ireo tanjona tiany ahatongavana ireo mpikambana ao. Ahitana sokajin’olona samihafa ny “Vondrona Panorama”, satria misy ireo tsy nitovy fijery teo aloha no tafaraka ao, satria atambatry ny fahatsapana ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny, ka vonona hanambatra ny hery hamaliana ireo fanontaniana nanahirana ny vahoaka voalaza tetsy aloha.

Ekena fa misy tokoa ireo toerana manan-tantara nahitam-pahombiazana teto amin’ny firenentsika, na izany aza dia ilaina ny fahamatorana eo amin’ny mpitarika ny hetsika sy ny fankaherezana ary fahasahiana avy amin’ny vahoaka mizaka ny tsy eran’ny aina, mba tsy hahadiso ny tantara nisy teo aloha.