Filoha Rajoelina – Zon’ny vahoaka ny hahalala ny diany any ivelany

Ny Valosoa

Efa any ivelany ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina, Ramatoa mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika Rinah Rakotomanga dia nanamarina izany vaovao izany, ary nilaza fa toy ny olona rehetra hoy izy Ingahy Filoha, ka mananjo hikarakara ny fianakaviany, mikasika ny fianaran-janany no anisan’ny antony nandehanany any ivelany hoy Ramatoa Tale, satria ireo zanany dia mianatra any ampita avokoa.

Tsy misy misakana azy tsy hiampita ranomasina, saingy ny olompirenena rehetra dia tokony hitovy eo anatrehan’ny lalàna, satria izy Filoha ihany no manambara fa tsy mbola azo sokafana ny sidina mankany amin’ireo firenena maro any Eoropa, ary vao notanisaina tamin’ny fampahalalambaovao tsy ela akory izay ny fisian’ireo firenena Eoropeana izay tena mbola fady mihitsy ny mampiantrano ny olona avy amin’ireo firenena voalaza ireo, izay midika hoe isika malagasy koa tsy mahazo miditra any amin’izy ireny.

Fa lasa Ingahy Filoha, izy rahateo tsy miasa saina amin’izay lalàna, satria efa nahazatra azy hatramin’izay ny mandika lalàna sy mivadika tamin’ny sonia nataony, sy izay nolazain’ny vavany. Efa impiry izy no miseho amin’ny fahitalavitra tsy mitondra arotava, kanefa dia miseho sarotiny ery rehefa mahazo fitenenana, ny famorian’olona tsy manaja fepetra dia efa tsy lazaina intsony, ny mampalahelo dia maro ireo tratra tsy nitondra arotava nampanaovina asa fanadiovana, raha ny tokony ho izy anefa dia efa ela Ingahy Filoha no efa tokony ho nomena kifafa sy nanosika borety.

Fa mikasika ny dian’Ingahy Filoha any ivelany dia avilivily amin’ny hoe hikarakara ny fianaran-janany hono no anton-diany any, dia tsy lazaina mazava hoe lasa any Frantsa fa ambara hoe any Eoropa, kanefa iza no tsy mahalala fa ao Frantsa no mianatra ny zanak’Ingahy Filoha, fa tsy any Alemaina, na Belzika, na Angletera, na firenena Eoropeana hafa, fa matoa tsy sahy tenenina ny hoe lasa any Frantsa dia satria, nisy ilay vava latsaka raha nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny nanambaran’Ingahy Filoha, fa haka ireo Nosy malagasy izy ary nohitrikitrihany fa tsy hisy ny fiaraha-mitantana amin’ny frantsay fa dia alaina ambongadiny ireo nosy ireo, efa nolelalelaina ihany koa ny hoe hiverina tamin’ny 26 Jona 2020 teo ireo nosy ireo, kanefa tsy tanteraka izany, ny fialana bala nataon’Ingahy Filoha dia ny hoe tsy afaka niresaka tamin’ny tompon’andraikitra frantsay hono izy fa mbola sahirana tamin’ny fiatrehana ny aretina koronaviriosy, izao tapitra ny hamehana eto amintsika, efa foana ny fandaharana isa-tapabolana, tsy misy intsony ny manakana an’Ingahy Filoha tsy hiresaka amin’ny vazaha, izy rahateo efa any an-toerana, any aminy izao ny baolina miandry ny vokany ny vahoaka malagasy, sa mety hilaza indray Ingahy Filoha hoe, mbola ao anatin’ny fihibohana ny frantsay, ka tsy tafaresaka, kanefa anie azo atao tsara ny mifampitafa amin’ny alalan’ny “visioconférence” raha ilaina sy vonona ny filoha Malagasy.

Ny tsikaritra aloha nandritra ny fotoana nitondran’Ingahy Filoha, raha nisy ny fivoahany mankany ivelany, dia tsy nisy intsony ny fitafana tamin’ny mpanao gazety, izay fomba fanao iraisampirenena, ny filohampirenena rehefa miala ao amin’ny taniny dia tsy maintsy milaza amin’ny vahoaka hoe lasa aho, izao no anton-diako any ivelany, ary rehefa tonga dia tsy maintsy milaza koa hoe ity aho fa tonga,toy izao ny nalehako tany ivelany, ka ny mpanao gazety no misolo tena ny vahoaka miresaka aminy sy mampita ny vaovao ho ren-tany ren-danitra, zon’ny vahoaka ny mahafantatra ny diany, ny vahoaka no tompon’ny fahefana izay isalorany, ka tokony hanao tatitra amin’ny vahoaka izy.

Koa manantena vaovao tsara avy amin’ny Filoha ny vahoaka Malagasy ary indrindra mba halalaka amin’izay ny fitafany amin’ny mpanao gazety tsy hisy fanavahana, satria filoha avy nitsidika tany amin’ireo firenena anjakan’ny fahalalahana maneho hevitra, sady avy nihaona tamin’ireo mpitondra any ivelany tsy mpanagadra mpanao gazety no tonga, dia tena hitodika aty amintsika tokoa ny mason’izao tontolo izao, ahitana ny fahamarinan’ny hoe : “restitution fa tsy cogestion”.

Aiza indray no mbola hisy ohatr’izany!