Raharaha Esplanade Analakely – Resy Vazahabe sy ny CUA, nandresy ireo mpivarotra

Helisoa

Hafaliana ny an’ireo mpivarotra mpandraharaha Malagasy mivelona eo amin’ny Esplanade Analakely, fa nomen’ny fitsaràna rariny izy ireo tamin’ny fitoriana napetraky ny ben’ny Tanàna Vazahabe: Naina Andriantsitohaina, teny amin’ny filankevi-panjakàna ( Conseil d’Etat).

Raha tsiahivina dia efa ambolana maro ireto mpivarotra ireto no efa nitaintaina fa hoesorin’ny CUA eo amin’ny toerana ivarotany. Nisy ny taratasy nalefan’ity farany, izay manome fotoana azy ireo 3 volana ialàny eo amin’ny toeram-piasàny. Amin’ny maha ara-dalàna ny taratasy eo am-pelatanan’ireo mpandraharaha Malagasy ireo, izay nifanaovana tamin’ny mpitantana ny Tanàna teo aloha dia tsy nanaiky mora izy ireo, fa nitory teny amin’ny fitsaràna.

Nahazo rariny ireo mpivarotra eo amin’ny Esplanade Analakely tamin’izany. Ny kaominina tarihan’ny ben’ny Tanàna Vazahabe koa tetsy andaniny tsy nanaiky mora, fa nampiakatra ny raharaha teny amin’ny filankevi-panjakana, izay rantsam-pitsaràna ambonimbony kokoa indray, ka omaly alarobia no nanaovana ny fotoam-pitsaràna. Niala maina i Vazahabe sy ny CUA teo fa nanjaka ny FAHAMARINANA. Nivoaka mpandresy ireto mpivarotra mpandraharaha Malagasy ireto.

Dia mbola hitady hevitra inona indray ny mpitantana ny Tanàna Naina Andriantsitohaina, izay tsy manana toetsaina hanangana fa ny handrava ihany no ao an-dohany?