Be ny zava-tsy milamina ka ezahina hafenina
amin’ny fizaràna vary sy karazam-panomezana,
Saingy be no tonga saina, maro koa no efa manenina,
Noho ny ataon’ireo mpitondra zatra ny manao letrezana.

Ampahan’asa no mba vita dia natao ny fitokanana,
F’efa tena lany henatra ry boaikely sy ny tariny.
Seho ivelany no betsaka raha jerena sy tombanana,
Fidedahana hatrany, izay no ventin’ny kabariny.

Izy “ambonin’ny lalàna” k’afaka manao izay tiany.
(Na ho arivo ny mpanotrona, tsisy afaka hiteny !)
Ny manangonangona olona, izay no tena fifaliany,
Ka dia zary fihomehezana, izy sy ny hagegeny!

… Efa tampina ny sofiny ka tsy mahare intsony
Ny antsoantson’ny vahoaka difotry ny fahantrana.
Mihevera, mandiniha ‘nareo mihevitra ho ambony
F’ianareo no tena lohany amin’ny fandikan-dalàna!

DADAN’I ZINA (28-10-20)