EDITO 29 Oktobra – Fitotongan’ny toekarena (-3,2%) – Anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana ny firenena

Sôh’son

Sahirana mafy ara-toekarena sy amin’ny sehatra ara-tsosialy i Madagasikara nanomboka tamin’ny fidirana tamin’ny hamehana ara-pahasalamana, ka mandraka ankehitriny. Miàla amin’izany dingana izany isika ankehitriny ary miatrika ny vanim-potoana aorian’ny fihibohana. Anisan’ny iray lehibe amin’izany ny fametrahana drafitra maty paika fanarenana ny toekarena. Ny hiaingàna izany dia ny miankina amin’ny resaka antontan’isa. Antontan’isa iray manamarika ny toeran’ny firenena amin’izao ny taha-pitomboana ara-toekarena, ka raha novinavinaina ho hitotongana hatrany amin’ny -1,2% izany hatramin’izay dia ankehitriny nahitsin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena fa ho -3,2% io fitotonganana io. Tsiahivina anefa fa tany amin’ny 4% mahery tany ho any no novinavinain’ny fitondrana tamin’ity taona ity, ary ho tafakatra hatrany amin’ny manodidina ny 5% amin’ny taona ho avy. Hampiova inona eo amin’ny fiainam-bahoaka anefa izany?

Iaraha-mahalala sy mahita toy ny tafika andrefan-tanàna, ny fikorosofahan’ny lafim-piainana ara-tsosialin’ny vahoaka malagasy nandritry izay krizy ara-pahasalamana izay. Tena ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny lavaky ny fahantrana ny firenena amin’ny ankapobeny. Tsy lavina, misy ny tsara fivelomana ary tena manontany ny ory mihitsy eto amin’ny firenena ao anatin’izao vanim-potoana sarotra izao. Olom-bitsy ihany anefa ireo ary ifangaroan’ny teratany Malagasy sy indrindra ireo teratany vahiny toy ny karana misy ny Indiana sy ny pakistaney. Fa ny ankamaroan’ny Malagasy mihitsy, izay tompon’ity firenena ity no sahirana mafy miady amin’ny fiainana isan’andro. Ireo ilay sarambabem-bahoaka mitady hanina ahafahany mivelona isan’andro. Ilay miharitra ny mafy noho ny fomba fiasa tsy mahombin’ny fitondrana, izay nampanantena zavatra be azy tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Tsy nahomby ny fomba fiasa sy ny fepetra noraisina tany amin’ny fiandohan’ny taona sy indrindra ankatoky ny hidiran’ny valanaretina teto amin’ny firenena, ka niharam-pahavoazana mafy teo amin’ny fiainany andavanandro. Nihotsaka ny fiainany araka ny fitenenana.

Nisy ny nambara ho fiarovana izany fahavoazana izany nataon’ny fitondrana. Iaraha-mahita tsara anefa fa tsy nitondra mankaiza akory azy ireo izany. Latsaka lalina loatra ilay fahantrana. Toy ny marary homamiadana kanefa pilina parasetamôla no omena azy. Tsy mahasitrana izany. Na hilatsaka hatraiza aza ny fitotonganan’ny harin-karena faoben’ny firenena, ary na hiakatra hatraiza aza, tsy hampiova n’inona n’inona amin’ny fiainam-bahoaka. Io tarehimarika io foana rahateo no lalaovin’ny mpamatsy sy ny fitondrana kanefa tsy hita ho misy fiantraikany amin’ny vahoaka eo amin’ny fiainany izany. Karazany tarehimarika ho an’ny “mpibizina amin’ny harem-pirenena atao tantely afa-drakotra” eto fotsiny ihany izany, fa tsy ho an’ilay sarambabem-bahoaka akory. Koa aoka izay ny famitaham-bahoaka amin’ny resaka tarehimatika tanisaina etsy sy eroa hanasohasoana ny fitondrana, fa raha tarehi-marika no resahana dia anisan’ny gisitra isika amin’ny fijotsoan’ny harin-karena.