Ambatondrazaka – Tsy nahatsindry ny depiote sy ny vondrona Panorama Rajoelina

Nangonina tao amin’ny fandaharana manokana niarahana tamin’ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Razara Pierre niainga avy tao Ambatondrazaka.

Taorian’ny fikasàn’ny vondrona Panorama sy ny solombavambahoaka TIM hanao tatitra tamin’ny mponin’i Mahajanga ny sabotsy 17 oktobra, izay tsy tontosa noho ny fanakanana nataon’ny mpitandro filaminana, dia nitodika tany Ambatondrazaka indray izy ireo nanatanteraka izany ny sabotsy teo.

Raha vao nahalala izany ny fitondram-panjakana dia efa nanomana alasafay fisehoana goavana ny zoma omalin’io, ka tao koa ny hevitra ‘hanindriana an’i Del kely’. Natao ny fitokanana lalana (800 metatra amina tetikasa 8km), natao fitokanana EPP (izay efa vita efa ela satria nododosina ny orinasa mpanao trano, ki-nanjo trano efa triatra no hita androany), narantiranty ny ‘tribune’ tao amin’ny kianja filalaovambaolina (nolo-koina tsy vita tafo no misy échafaudage), nomena vatsy tsinjo ny mponin’Ambatondrazaka miisa 2000 -200 isaky ny fokontany miisa 10, notaterina tamina Sprinter miisa 50, ary nasaina hisy olona iray miaraka amin’ny mpisitraka hitondra ny entana sy hampitombo isa ny olona hanao ‘merci prezidà’. Ny fepetra ara-pa-hasalamana dia mametra ny fivoriana tsy hihoatra ny olona 200, kanefa modely hafa no nasehon’ny filoha Rajoelina tamin’ny famoriambahoaka olona mihoatra ny 4000.

Araka ny mahazatra ny filoha Andry Nirina Rajoelina, dia fidedahana no betsaka. Fa tamin’ity indray nitoraka ity, dia niampy fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona ny mponin’Ambatondrazaka no nahatalanjona ny rehetra. Lalana no notokanana kanefa fiaramanidina maro no nipetraka teo amin’ny seranampiaramani-din’Ambatondrazaka, toa tsy mahatoky ny lalampire-nena RN44 hindrahindraina fa ho vita, toy ilay tantaran’ny ‘Manaingazipo’ vita ao anaty efa-bolana.

Teo amin’ny fanomezana ny ‘vatsy tsinjo’ dia vary ‘stock tampon’ no nozaraina any amin’ny faritra mpamoka-bary, sompitr’i Madagasikara. Henatra sy fahafaham-baraka no asetrin’ny filohan’ny repoblika, mampi-baribary fa firenena tena mahantra i Madagasikara.

Ny fanamboarana ny lalampirenena RN44 dia mam-piakatra avy hatrany ny faripiainan’ny faritra Aloatra Mangoro, kanefa toa iniana tsy tanterahina. Talohan’ny 2009 dia efa nisy ny vola natokana ho fanamboarana ny RN44 ary orinasa maleziana no efa nanomboka ny asa. Notapahan’ny filohan’ny tetezamita ny asa ka nampidi-kizo an’i Madagasikara izay nanjary voasazy handoa onitra, satria tsy azo kitihina ny fifanarahana iraisampirenena (na accords internationaux) araka ny lalampanorenana andininy 137 sy 138. Ary torak’izany koa ny miandry an’i Madagasikara mikasika ny lalana Ambilobe-Vohemara.

Taty aoriana dia lany indray tao amin’ny antenimieram-pirenena (mandat teo aloha) ny tetibola hanamboarana ny RN44 kanefa dia ampiasaina amina zavatra hafa in-dray ny vola efa voatokana. Misy mahazo tombontsoa anefa amin’ny tsy fahavitàn’ny lalana. Ka inona marina no tena antony tsy hamitàna ny lalampirenena RN44?Fa raha ny zavatra hita maso sy nolalovan’ireo tonga nanao tatitra dia tsy misy lalana vita izany mihitsy na kely.

Raha todihana indray ny andro sabotsy nanaovan’ireo solombavambahoaka tatitra, dia dian-tongotra no na-trehan’ny mponina am-pifaliana tsy nisy fanomezana na fitaterana, ary naharitra nihaino am-pilaminana sy am-panajana ireo solombavambahoaka sivy nikabary. Leon’ny lainga sy fampanantenana poakaty ny olona ka mitady feon-dakolosy hafa, izay mifanandrify amin’ny zavatra tena hiainany.

Fifidianana loholona sy fanitsakitsahana ny lalàna

Teren-ko masaka fotsiny ny fifidianana loholona ka-saina hatao ny 11 desambra ho avy izao. Tsy mety io fifidianana io. Tsy resaka fahatahorana, fa raha tiana ho tany tan-dalàna sy manaja ny lalampanorenana dia ny fifidianana tsy mbola vita eo anivon’ny faritra sy ny kaominina no tokony ho tanterahana.

Mahatonga ny vondrona Panorama (vondrona politika 30), na ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) mandà ny fifidianana dia ny fomba fiasan’ny Fitsarana Avo momba ny La-lampanorenana (HCC), mampisalasala, maneho hevi-tra politika. Tsy voahaja ny fepetra ary tsy feno. Aleon’ny aty amin’ny fanoherana tsy mandika lalàna miaraka amin’ireo zatra mandika lalàna ireo. Ny tsy mandray anjara mihitsy no mety mba tsy ho mpiara- mombon’antoka amin’ny tsy fetezana.

Fitondrana tsy atokisana sy fotodrafitrasa mikatso

70% amin’ny famatsiambola hanatanterahana tetikasa goavana dia avy any ivelany avokoa. Tsy mety mamaly ny FMI amin’ny firosoana amin’ny famatsiambola ara-dalàna. Dia misintaka koa ny Japoney, izay mitarika fiantonana koa eo amin’ny BAD (Banky afrikana momba ny fampandrosoana; 90% amin’ny petrabola dia avy amin’ny firenena japana).

Izay no mahatonga ny asa fanamboarana ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina miantona.

80 % amin’ny tetibolam-panjakana dia avy any ivelany. Nilaza anefa ny filoha Rajoelina fa raha mbola ireo no iankinana dia tsy handroso mihitsy na any amin’ny 2030, na 2050.

Hita ny vokany amin’izao fa mitarazoka daholo ny ra-haraha rehetra. Eo ihany koa ny tsy fahatokisana ny mpitondra sy ny filaminana ara-politika na ‘stabilité politique’. Tsy voahaja ny toerana soritan’ny lalampano-renana ny mpanohitra.

Tandindomin-doza ny asa fanaovan-gazety

Raha tsy mivondrona ny mpanao gazety ary tsy tonga saina amin’ny zavatra misy amin’izao fotoana izao, dia ho tsimponin’ny fanjakana tsirairay. Fa andrasana hisy mpanao gazety firy no miditra ao am-ponja vao hitsan-gana ny mpanao gazety. Tokony hivory ny mpanao ga-zety hiady hevitra.

Tsy laharampahamehana ny tantsaha mpamokatra (80%-n’ny mponina malagasy)

Tsy laharampahamehana ho an’ny fitondrana ankehi-triny ny fikarakarana ny tantsaha – 80%-n’ny mponina malagasy. Ny azy dia ny mahafinaritra aloha vao ny mahasoa.

Ho an’ny famokarana, mialoha ny mécanisation dia misy fototra roa lehibe izay tsy fantatry ny fanjakana akory ny tokony hataony manoloana izany. Voalohany, ny fandriampahalemana: vaky vala isan’andro eto, mandry tsy lavo loha ny olona. Mila mametraka fan-driampahalemana marin-toerana vao afaka mamboly ny tantsaha. Faharoa, mila milamina ny fahatonga-van’ny rano eny an-tanimbary vao misy vokatra mandeha.

Aty amin’ny sompitry ny fambolembary, tsy ny fijere-vana ny zavatra tena ifotoran’ny fiveloman’ny olona no ahatongavana fa ny mizesta sy ny manindry. Tamin’ny voalohan’ny taona dia nisy rano be namotika fotodrafi-trasa (PC15/PC23).Tsy ny tatatra potika mitondra rano, tsy ny resaka fahatongavan’ny rano any an-tanimbary no nisarika ny filoha fa ny hidedaka, hoy ireo depiote nandritra izany fandaharana manokana izany.