Malagasy any La Réunion – Manohy ny fanampiana ireo olona kere any Atsimo

Ireo fanampiana nozaraina tamin’ireo tratry ny kere any Atsimo.

Isambilo

Manohy ny fizarana fanampiana ho an’ireo Havana kere any atsimon’i Madagasikara ireo Malagasy monina atsy amin’ny Nosy La Réunion.

Na alahady aza ny andro ny faran’ny herinandro teo, nizara fanampiana ireo olona sahirana noho ny haintany ireo ny solontenan’ireo Malagasy atsy amin’ny Nosy La Réunion eto an-toerana. Nanome vary, menaka, sakafo isan-karazany, rano tamin’ny bidon izy ireo tamin’izany.

Mbola miangavy antsika MALAGASY namana malala-tanana any ivelany izy ireo mba handray anjara mavitrika amin’ity hetsika www.agirpourmada.org/faire-un-don ity.

Isaorana hoy ny fanambarana ny efa nanome na ireo vao hanao izany koa. Voaporofo ankehitriny fa mahavita asa soa madio sy mangarahara ihany isika Malagasy rehefa hanao. Fa ilaina ny fifanampian’ny rehetra satria mbola lavitra ny ezaka.