Depiote Feno Ralambomanana – Manome lanja ny lafiny fanabeazana

Helisoa

Noho ny fahatsapan’ny depiote voafidy tao amin’ny Boriboritany faha3 eto Antananarivo Renivohitra, Feno Ralambomanana, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy, vokatry ny valanaretina COVID 19 , dia nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana manokana ireo mponina manana zanaka mianatra sahirana ao anatin’ny boriboritany nahalàny azy ity solombavambahoaka ity.

Fokontany 9 indray no nisitraka izany tamin’ny sabotsy teo tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana. Ny fokontany ambiny mbola tsy nahazo fanampiana dia amin’ny fotoana manaraka satria tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana isika hoy ny mpiara-miasa amin’ny depiote Cynthia Andriarivelo. Nilaza ity farany fa ankizy sahirana eo amin’ny 1100 no kendrena hahazo fanampiana manerana ny fokontany 34 mandrafitra ny boriboritany faha 3.

Manaraka izany, tsy adinon’ny depiote Feno Ralambomanana ihany koa ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakàna 18 ao an-toerana, izay mikaikaika tokoa satria dia tsy nisokatra nandritra ny volana maromaro ny toeram-pianarana, nefa tsy mba nisy fanampiana tamin’ny fanjakàna na kely aza. Nisy ny fanolorany boky miisa 1300 ho azy ireo hanatsaràna ny fanabeazana, ka arakaraky ny habetsahan’ireo ankizy mpianatra no hanomezana ny boky ho azy ireo.

Velom-pisaorana ny solombavambahoaka ireo tompona sekoly tsy miankina amin’ny fanjakàna, fa tena zavadehibe ho azy ireo ny fanampiana nataony. Ny fanjakàna dia mijery fotsiny fa tsy mba nisy hoy izy ireo ny fanampiana. Toy izany ireo ray amandrenin’ny mpianatra. Efa mba nividy fitaovana kely izay tratra izahay hoy izy ireo saingy tsy ampy, fa dia tolorana fisaorana ny depiote nanampy anay amin’izao andro sarotra izao.