Taon-tsekoly 2020-2021 – Tsy milamina, tena lavitry ny manara-penitra

Ny Valosoa

Niditra omaly alatsinainy 26 oktobra ny mpianatry ny sekolim-panjakana , araka ny tetiandro mantsy dia nanomboka ny 26 oktobra ary hifarana ny 28 desambra ny telovolana voalohany. Hita fa peta-toko famonjena isan’ny andro ianarana fotsiny ilay hoe 28 desambra satria mazava fa tsy hisy sekoly hianatra intsony aorian’ny krismasy 25 desambra, sady roa volana latsaka araka izany no lazaina fa telovolana voalohany.

Raha ny omaly aloha tamin’ny sekolim-panjakana maro dia tsy mbola hita taratra akory izay fanombohana izay, fa mbola filaharana sy fandraisana anarana, na antontan-taratasy no hita teny. Ny baiko midina dia hoe raisina ary tsy mandoa sara ireo vao hiditra amin’ny EPP. Voalaza ihany koa, fa handoa kely anefa atsy ho atsy izy ireny. Tokony holazaina mialoha ilay hoe “kely”, mba hiomanan’ny raiamandreny dieny izao satria tsy mitovy velively ny kely amin’ny mpitondra ankehitriny sy ny vahoaka ao aminy. Ny kely amin’ny mpitondra dia Cadillac. Ny kely amin’ny mpitondra dia fiara 4×4. Ny kely amin’ny mpitondra dia ny mampandoa saram-pihibohana manodidina ny 2 tapitrisa ariary. Ka asa izay kely aminy rehefa hitaky vola amin’ny vahoaka izy, fa amin’ny vahoaka sahirana dia tsy tokony hihoatra ny 5 arivo ariary aloha izany atao hoe” kely” izany.

Raha efa nahazatra tany aloha ny famoahana miaraka amin’ny tetiandrom-pianarana ny tetiandrom-panadinana dia tsy izany no misy hatreto. Mbola baraingo ny datim-panadinana 2021 ary na ny hisian’ny fanadinana CEPE aza mbola tsy fantatra mazava. Tena nandinika sy namakafaka ary nanontany ny hevitry ny mpanabe am-perinasa ve ny mpitondra ny amin’ny fikasana hanafoana ny fanadinana CEPE eto Madagasikara, sa dia maka tahaka an-jambany ny ataon’ny firenena mandroso fotsiny? Ekena fa tsy diplaoma natao hitadiavana asa intsony ny CEPE, saingy mari-drefy hitsapana kosa fa hoe mahatratra ny fari-pahaizana famaranana ny ambaratonga voalohany ve ny mpianatra sa tsia? Any ambanivohitra izay tsy misy afa-tsy EPP dia ny fahafahan’ny mpianatra ny fanadinana CEPE no handrefesan’ny raiamandreny, na tokony hanohy fianarana any amin’ny CEG any an-tanàn-dehibe ny zanany na tsia. Raha afaka CEPE ny zaza dia alefan’ny raiamandreny manohy any amin’ny CEG, fa raha tsy afaka kosa dia matetika ajanony amin’ny fianarana, fa alefany hiasa tany, na hamboly sy hiompy. Dia vao mainka hihena hatrany ny tahan’ny mpianatra miditra an-tsekoly raha izao fanapahan-kevitra kitoatoa izao no tanteraka.

Mandeha an-jambany ny fampianarana. Mihena dia mihena ny tahan’ny mpianatra miverina mianatra raha araka ny filazan’ny talen’ny sekoly maro eto an-drenivohitra. Ny cours no feno etsy sy eroa raha ny talohan’ny fanadinana bacc teo no jerena. Ireny sisa no ifanotofan’ny mpianatra kamo mianatra, sy toa manao tsapatsapa vintana amin’ny fiatrehana fanadinam-panjakana. Manampy trotraka ny gaboraraka izay eken’ny fanjakana satria eny amin’ny dokam-barotra amin’ny fahitalavitra dia ahitana toy izao hoe : COURS …… manao ny taranja rehetra ary mampiditra ho candidat d’école. Asa na fomba ahoana no ahafahan’ny mpitantana cours mampiditra ny mpianany ho candidat d’école eken’ny fanjakana, fa raha ny ara-dalàna hatreto dia tokony ho sekoly manana autorisation d’ouverture, na fahazoan-dalana hisokatra ara-dalàna ihany no mahazo mandefa ho candidat d’école. Ny sekoly manana fahazoan-dalana ara-dalàna aza mbola mivoaka sempotra vao mahatafiditra ireo mpianany ho candidat d’école raha aty amin’ny volana janoary vao misoratra matetika ireo mamerina fanadinana bacc. Gaboraraka toy izany no misy eo amin’ny sehatry ny fampianarana ka tsy mahagaga raha mikorosy fahana ny fari-pahaizan’ny mpianatra, sy ny lanjan’ny diplaoma ankehitriny.

Lalovana fotsiny ny dokam-barotra nataon’ny mpampanao COURS malaza eto an-drenivohitra 15 andro talohan’ny bacc teo manao hoe : tongava misoratra fa ATY AMINAY ILAY ZAVATRA. Raha fehezina dia mihambo ho mahita laza adina alohan’ny fotoana ireny cours ireny ary dia izany no isarihany sy imatesan’ny mpianatra ankehitriny. Aiza izay mba fandraisana andraikitry ny fanjakana amin’ireny cours feno eny anelakelan-trano ireny fa matetika dia ny sekoly miorina ara-dalàna ihany no voaenjika sy voasazy? Aiza izay fitsipika sy lamina mazava ary nahoana no tsy avoaka dieny aty am-panombohana ny datim-panadinana, mba hanaovan’ny mpampianatra, sy ny sekoly ny lamina rehetra amin’ny fitsinjarana ny programa? Ary ahoana koa ity tsaho mandeha fa hofoanana amin’ny 2022 ny sokajy na serie A C D amin’ny bacc? tena mila fanofanana sy fiomanana maharitra izany fa tsy vitan’ny fientanam-po sy hala-tahaka mampisavoamboana ny mpitondra fotsiny.