Esplanade Analakely – Mitady hanindry ny fitsaràna i Vazahabe hoy ireo mpivarotra

Ny solontenan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Esplanade Analakely, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly.

Helisoa

Mbola tantara mitohy ny an’ireo mpandraharaha Malagasy mivarotra eo amin’ny Esplanade Analakely, izay manana taratasy ara-dalàna, sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), tarihin’ny ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina: Vazahabe.

Nomen’ny CUA taratasy fampandrenesana hiala eo amin’io toerana io ireo mpivarotra volana maromaro lasa izay. Tsy nanaiky mora foana anefa ireto mpivarotra fa nametraka fitoriana teny amin’ny tribonaly. Vokany, naharesy teo amin’ity rantsam-pitsaràna ity ireo mpivarotra. Ankehitriny anefa, tsy nanaiky ny ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina, ka nampiakatra izany any amin’ny filankevi-panjakàna, ka ny alarobia izao ny fitsaràna mikasika izany.

Manoloana izany indrindra dia nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ireto mpandraharaha ireto omaly teo amin’ny Esplanade Analakely. Efa naharesy teny amin’ny tribonaly izahay hoy ny mpitondrateny, nefa dia mbola nampiakatra fitsaràna amin’ny ambonimbony kokoa i Naina Andriatsitohaina. Tsy midika ve izany hoy ny fanambarana fa manery ankolaka ny fitsaràna, mba handrava sy hamono ny fitadiavam-bolanay mpandraharaha Malagasy mivelona eto amin’ity toerana ity izany toe-javatra izany, ka omena ny vahiny?

Eto koa izahay hoy izy ireo, miantso ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena sy ireo mpandraharaha tratry ny tsindry hazo lena toa anay, mba hiaraka hiady amin’ny tsy rariny misy amin’izao. Marihina fa mpandraharaha mamelona tokantrano maro no tratran’izao antsojay ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izao. Misy ny tsena no mbola tsy niasa akory satria mbola tsy vita ny sasany , eo ihany koa ireo mbola mandoa ny volan’ny banky tamin’ny asa fanamboarana natao.

Noho izany, tsy hiala eto amin’ity toerana ity izahay hoy hatrany ny solontenan’izy ireo, fa hanao vy very ny ainay raha toa ka tanterahana ny fandravàna ny tsena fivelomanay. Na izany aza anefa dia mbola matoky ny fahendren’ny fitsaràna hatrany izahay ary miandry izany ampitoniana.

https://www.facebook.com/1448038518644418/posts/3348087791972805/

https://www.facebook.com/100007920066152/posts/2811702785770363/