Toekarena – Mbola hidina -3% ny harin-karena eto Madagasikara hoy ny FMI

Aly

Tsy mitsaha-mitontongana ny toekarena eto Madagasikara.

Araka ny vinavinan’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena, na FMI, hidina hatramin’ny -3% ny fitomboan’ny harin-karena eto Madagasikara, ny marina kokoa hitsojo hatramin’ny -3% ny harin-karena eto Madagasikara amin’ny taona ho avy 2021. Efa -1,2% izany fitomboan’ny harin-karena eto amintsika izany tamin’ity taona 2020 ity, ary voalaza fa mbola hitontongana io.

Ny anton’izany dia teo aloha ny vokatry ny valanaretina coronavirus, fa eo koa ny tsy fahaizan’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana. Marary arak’izany ny toekarena eto Madagasikara. Miseho ihany koa izany amin’ny alalan’ny fitontongan’ny vola Malagasy: ny Ariary. Efa 4600 Ar mahery amin’izao fotoana ny 1 euro ary ny dolara Amerikana dia efa 2000 Ar latsaka kely.

Mbola hitohy arak’izany io fijotsoan’ny Ariary io, raha io vinavinan’ny FMI io, mety ho tonga 5000 Ar ny euro iray ary ny dolara Amerikana dia hihoatra lavitra ny 4000 Ar. Tena ratsy arak’izany ny fahitan’ ny mpandinika ny ho avin’ny toekarena Malagasy ary mety ho kere eto isika mianakavy fa tsy any Atsimo ihany.