EDITO 27 Oktobra – Fitondrana Rajoelina – Miseho hahavita irery nefa tsy mahalasa alavitra

Sôh’son

Ny fitondrana ankehitriny ve izany mihevitra, fa eo aminy ny fahefana sy ny hery, ka maneho fa vonona hiatrika sy hifanandrina amin’ny fomba samihafa izy amin’ireo tsy mitovy hevitra sy fomba fijery aminy rehetra indrindra ny mpanohitra?

Lasa izany no ironan’ny sain’ny maro amin’ny fahitana ny toe-javamisy eo amin’ny fandehan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Ary tsy mionona amin’ireo fotsiny fa tonga hatrany amin’ny fidedahana hahavita ny asa irery, ary manilika ny hafa amin’ny seha-pampandrosoana ny firenena.

Iaraha-mahita tsara anefa, fa tsy lasa lavitra izay atao rehetra hatreto. Eo, ohatra, ny ady amin’ny asan-jiolahy sy dahalo, ka nampidirina ny fitaovam-piadiana sy fiarakodia na fiaramanidina (angidim-by), izay tsy fanta-pototra ny niaviany sy ny nividianana azy, kanefa hatreto tsy hita ho mihena ny tsy fandriampahalemana; eo ny olana hatrany amin’ny famatsiana rano sy jiro mampijaly lava ny mponina hatrany mandraka ankehitriny, izay nisehoany fa ho vitany sy ho voavahany tany am-piandohana. Miharihary indrindra amin’izao fotoana izao ny fiitaran’ny halavan’ny fotoana iadiana amin’ny valanaretina covid-19, izay nisehoana fa ho vitan’ny fitondrana irery ny hiatrika izany, kanefa iaraha-mahita sy miaina tsara izao ny tsy fahatomombanana be dia be ao anatin’izany, sy indrindra ny amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny krizy ara-tsosialy. Eo ihany koa, ary tsy kely akory fa tena goavana, ny amin’ny ady amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy izay bodoin’ny fitondrana frantsay. Miseho hahavita irery izany ary tena nihevitra izany mihitsy ny fitondrana Rajoelina, fa izy no hahaverina ireo Nosy Malagasy ireo izay nasiany fe-potoana hatramin’ny 26 Jona lasa iny. Iaraha-mahita tsara anefa ny zava-misy momba izany amin’izao fotoana izao, ary zary nangingina tsy ahenoina teny aza ny filohan’ny Repoblika miresaka izany.

Etsy ankilan’izany rehetra izany, fantatry ny maro, fa ny ankamaroan’ireo tetikasa vitain’ny fitondrana Rajoelina, dia saika efa tetikasa natomboky ny fitondrana teo aloha avokoa. Efa nisy vava asa natao, izay vao tohizany, sy isehosehoany rehefa ataony sy tokanany. Nefa ny fanebahana ny mpitondra teo aloha atao hatrany isak’izay mahatsiaro na miteny amin’ny haino aman-jery.

Tsy afaka izay mihevitra handeha irery eto hitantana ity firenena ity. Tranga efa hita hatramin’ny fotoana ela izany. Ankehitriny, vinavinain’ny maro fa hidi-kizo ny firenena amin’ny fihetsika hangorom-pahefana kasain’ny fitondrana atao, sy hanilihana tanteraka, mba haka sisiny ny mpanohitra sy izay rehetra tsy mitovy hevitra sy fijery amin’ny fitondrana. Efa manomboka hita anefa amin’izao fotoana izao ny fahavoazan’ny vahoaka sy ny firenena amin’izany. Ohatra miharihary amin’izany ny zava-misy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny amin’ny resaka tsy fahampian-tsakafo. Hadisoan’ny fitondrana io, fa raha vao manomboka miakatra amin’ny fitondrana izy, na alohan’izay akory aza, no tokony ho efa misy ny fandaharan’asa mipetrapetraka ho tanterahina hamahana ny olana any. Tsy vao izao akory mantsy no misy io olana io any an-toerana. Mahalala tsara izany ny Malagasy, mainka fa olona hitondra firenena? Olona tsy natao hitondra tokoa, raha izao misy tranga miseho mafy izao indray vao mody mikoropaka sy manasa ati-doha ny vahoaka.