LAINGA SY FITAKA MANARA-PENITRA ?

Matahotra mafy ny mpamafy lainga,
Fa tsisy tanteraka izay nolazainy.
Jerena ireo asa, tsy misy mba miainga,
Ka boda tanteraka hatramin’ny sainy.

Ireo zavatra maro nampanantenaina,
Mitoetra ho nofy ririnina hatrany,
Fa hafa dia hafa ny zava-dazaina,
Ny atao kosa dia tsy mitovy amin’izany.

Fampanantenana, mameno sobika.
Ny kely mba vita, tsy misy manjary.
Ny hevitr’izany raha toa ka adika
Dia tsy avotra fa manakofa ny vary.

Ny lalana ity toa tsy misy mpamboatra,
Kanefa efa tapitra ny fahamehana.
Ilay fidedahana ve no be loatra,
Fa ny hany mba hita dia fanapotehana.

Hanorina foana no toa mahamaika,
Kanefa ny vita tsy kojakojaina.
Dia aiza amin’izany fa mahasadaika
Ilay “manara-penitra” nohindrahindraina?

DADAN’i ZINA (22-10-20)