24 Oktobra – Taratasin’ny mpamaky

Na dia nahazo RARINY teny amin’ny fitsarana aza ireo mpivarotra ao amin’ny ESPLANADE ANALAKELY dia tsy manaiky izany ny CUA, fa mitady ny fomba rehetra ha-nesorana azy ireo ao an-toerana hatrany ny kaominina.

Nampiakatra ny raharaha eny amin’ny filakevim-panjakàna: Conseil d’Etat indray ny ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriatsitohaina , ka handeha ny alarobia izao ny fitsaràna mahakasika izany.

Amiko tsy rariny ny handravana ireo tsena eo amin’ny Esplanade satria nahazo alalana tamin’ny mpitondra teo aloha izany, aiza ny fitohizan’ny raharaham-panjakana?

Tena tsy milamina koa io rangahy Vazahabe io zany a ! mahaiza mifidy Ry Antananarivo amin’ny manaraka, kakerin’ny amboa-kely tianareo nareo zao. Tena efa mitapy io rangahy ben’ny tanàna io! Ny handrava ihany no ao an-do-hany. Ny fako sy ny lalana potika tsy hitany.

Claude Ratovojaona
Lot III-G….. Andrefan’Ambohijanahary.