Ralaiseheno Guy Maxime – Tsy tokony ho sakanana ny mpanohitra hiresaka amin’ny vahoaka

Helisoa

Tsy tanteraka ny fanaovana tatitra tamin’ny vahoaka saika nataon’ny solombavambahoaka Tiako i Madagasikara (TIM) tany Mahajanga ny faran’ny herinandro lasa teo, niaraka tamin’ny vondron’ny PANORAMA. Tsy neken’ny mpitondra tany an-toerana mihintsy ny hetsika, na nisy aza ny fifampiresahana teo amin’ireto farany sy ny solombavambahoaka ankilany.

Noho izany rehetra izany dia naneho ny heviny ny ben’ny tanàna teo aloha Guy Maxime Ralaiseheno mpikambana ao amin’ny vondrona PANORAMA. Tsy tokony ho sakanana ny mpanohitra hoy izy hanao tatitra amin’ny vahoaka mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena satria efa feno ny fepetra ahafahana manao izany. Ny hamehana ara-pahasalamana efa tsy misy intsony, fa ny fepetra no tokony hajaina hoy izy dia ny famoriana olona tsy mihoatra ny 200, na dia efa manome ohatra ratsy mandika an’izany aza ny filoha Rajoelina ankehitriny, izay mamory vahoaka aman’alina isaky ny mivoaka any amin’ny faritra.

Ho an’ny anio sabotsy hoy ity mpanao politika ity dia any Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro indray no hitafa sy hanao izay tatitra amin’ny vahoaka ireo parlemantera TIM, hotronin’ny Vondrona PANORAMA. Zon’ny vahoaka hoy izy ny mahalala ny raharaha politika eto amin’ny firenena, ka tsy afaka hitazam-potsiny manoloana ny tsy rariny, sy ny fanitsakitsahana lalam-panorenena izahay mpanohitra hoy Guy Maxime.