Fiainam-pirenena – Depiote maro an’isa tena mpiara-misaosy tokoa

Ny Valosoa

Tsy mbola nisy ohatr’ity hatrizay nanaovana hoy ny fiteny mahazatra, izay no azo ilazana ny zava-nitranga teny amin’ny CCI Ivato, tao amin’ilay toerana ari-fomba natsangan’ny Filoha Ravalomanana, ny Talata lasa teo, taorian’ny kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena dia niroso tamin’ny fiarahamitsaingoka sy fialana hetaheta, ireo solombavambahoaka, tsy nanatrika izany fihinanambe izany ireo solombavam bahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako I Madagasikara ,ny ambiny kosa dia niala vonkina nanao voky antenda.

Efa fankalazana mialoha ny heveriny ho fandresena iny fiarahamisakafo iny. Inona moa izay fandresena mampandihy tsy afa-tavony ny olon’ny fitondrana izay? Tsy inona fa ny fahataperan’ny fotoampiasan’ireo loholona nahitana mpikambana avy amin’ny TIM sy HVM, efa mipi-kelika ny olondRajoelina fa ho mpiaramisaosy amin’izay ireo 18 izay ho loholona amin’ny taona hoavy, ny ao antsain’izy ireo dia mandeha ho azy amin’izay ,ny atao rehetra satria tsy hisy intsony ireo mpitsongoloka ny hagaigen’izy ireo.

Ny azo ambara ihany koa dia solombavambahoaka lany henatra ireo nanao hanimbao hita ireo, satria etsy andaniny ny Antenimierandoholona, mpanao lalana ihany koa, andrimpanjakanan’ny repoblika, mbola amperin’asa tanteraka, satria tsy mbola lany fotoampiasana, tsy nomena ny vola hanantontosana ny fivoriana ara-potoana faharoa, sora-bola efa lany tamin’ny lalana lasitra sy nasiampanitsiana io, kanefa dia sahin’Ingahy minisitra miadidy ny fitantanambola ny manambara fa nalefa itsinjovana ireo vahoaka tratrin’ny kere any atsimo hono ny vola tokony ivorian’ny loholona, anterina eto fa hevitra taingina sy famendrofendroana ireo vahoaka tra-pahavoazana ihany izany satria, navily lalana tsy nisy fierana tamin’ny fahefana mpanao lalana ny vola, ankoatr’izay, matoa izao vao mandray fanapahankevitra peta-toko dia satria tsy nisy mihitsy fiheverana ireo vahoaka any atsimo tamin’ireo lalana mifehy ny teti-bola narafitra teo aloha. Ary ny fetinkanina toy ireny tamin’ny talata teo ireny dia fandatsana ireo vahoaka tratrin’ny kere any atsimo, kanefa moa tonga amin’ilay fitenenana hoe : « ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany», dia manesokesoka tokoa anie izany ireto maro an’isa.

Fa nivoaka tao amin’ny antenimierampirenena ihany koa ny resaka fitakiana fiara tsy mataho-dalana sy fisotroandronono, azo inoana fa ho azon’izy ireo izany, satria efa loholona mitovy loko no ho avy eo, nanahirana mantsy raha nomena tamin’ny fotoana nahateo ireo loholona TIM sy HVM ny tombontsoa izay tokony hitovy ho an’ny samy andrimpanjakana mpanao lalana.

Fa misy ny tantara tsy azo kosehina fa miverimberina , tamin’ny taona 2001 dia nanjakan’ny Filoha Ratsiraka ny andrimpanjakana rehetra, hatrany amin’ny kaomina sy ny fokontany, kanefa dia resin’ny Filoha Ravalomanana izy tamin’ny fifidianana madio, ny taona 2007 koa dia teo ampelatanan’ny Filoha Ravalomanana ihany koa ny fahefana rehetra kanefa dia tsy maintsy niala teo amin’ny fitondrana izy rehefa tonga ry mpandroba fahefana, ny Filoha Rajaonarimampianina koa , dia feno olon’ny HVM tany amin’ireo ambaratongampahefana rehetra, kanefa dia tsy lany, koa ankehitriny mihevitra ry Rajoelina fa lasany avokoa ny tanana iray manontolo,dia manantena ny hamahatra ela eo izy mianakavy, hevi-diso ihany izany, satria efa mihazakazaka ny firoboroboan’ny fitaovantserasera amin’izao fotoana izao, ka tsy azo badoina intsony ny vahoaka, ary ny lainga marivo tototra fanaon’ireo mpanao hosoka tamin’ny fifidiananana, dia efa hain’ny vahoaka tsianjery satria horonantsary efa nandeha, ka tsy maintsy hiverina hatrany ny tantara ho an’izay nahazo fahefana mihoampampana, fa ny fisehony no mivoatra araka ny zava-misy.

F’ireo maro an’isa niara nisaosy, ara-bakiteny teny Ivato, raha izao aloha tsy te hiasa saina amin’ izay tohin’ny tantara ho avy eo, fa dia homana ihany, homana hatrany aloha, na mandrezatra ny alahelombahoaka any atsimo aza.