Johary Ravoajanahary – Nadoboky ny fitondrana eny Antanimora koa

Helisoa

Nadoboky ny fitondrana omaly tolakandro eny Antanimora ihany koa izao ny mpanao gazety, Johary Ravoajanahary, tale jeneralin’ny ORTM (Ofisin’ny Radio sy ny Televiziona Malagasy) teo aloha. Niakatra teny amin’ny Bianco (Birao Mahaleotena misahana ny kolikoly) indray, ny raharaha mahakasika ny fitantanany tao amin’ny ORTM omaly, ary ny PAC ( Pôle Anti-Corruption) no nampiditra azy eny Antanimora izao.

Araka ny vaovao voaray dia nisy ny tsindry avy amin’ny fahefana mpanatanteraka nahatonga izao famonjana ity mpanao gazety ity izao. Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora tokoa ny tale jeneralin’ny ORTM teo aloha, Johary Ravoajanahary, rehefa avy narahi-mason’ny fitsaràna tao anatin’ny andro vitsivitsy. Ny vesatra anenjehana azy araka ny feo miely tamin’ny tambazotran-tserasera dia hoe resaka fanodinkodinam-bola tao amin’ny ORTM, tamin’ny fifidianana filohampirenena. Voalaza fa vola tao amin’ny ORTM aloha no naroso nikarakarana izany ady hevitra mivantana tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana izany, satria mbola tsy vonona ny vola tany amin’ny CENI. Rehefa nivoaka ny vola tany amin’ny CENI dia naverina ny an’ny ORTM.

Dia ho toy izany foana ve no ahazo ity asa fanaovan-gazety ity satria dia mpanao gazety maromaro ihany izay nigadra tamin’ity fitondràna Rajoelina ity izay, indrindra tamin’ny andron’ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy Andriantogarivo!