Tsy mahatoky ny Fitondrana Rajoelina ny PAM, USAID ary UNICEF amin’ny fitantanana ny fanampiana

Nanolotra 2,5 tapitrisa dolara ho an’ireo kere any Atsimo.

Manamafy ny fanohanana ireo olona tratran’ny kere any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika amin’ny alalan’ny USAID, na ny sampan-draharaha Amerikana ho an’ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena. Eo amin’ izay ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay: zaza miisa 64 000 any atsimo no hisitraka ny fanampian’ny Amerikana.

Tsy mitsaha-mihombo ny tsy fahampiana ara-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Manoloana izany dia manolotra vola mitentina 2,5 tapitrisa dolara Amerikana ho an’ny UNICEF sy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM), ny governemanta amerikana amin’ny alàlan’ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), hitsaboana ireo zaza latsaky ny dimy taona ianjadian’ ny tsy fanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika.

Nisy fanadihadiana natao tamin’ny volana aprily 2020, izay nahafahana naminavina, fa zaza maherin’ny 119 000 no ho voan’ny tsy fanjarian-tsakafo antonony, ka mihoatra ny 19 000 amin’izy ireo no ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny Distrika enina any atsimo amin’ity taona ity. Mitarika ny fahafatesan’ny 44% an’ireo zaza latsaky ny dimy taona farafahakeliny eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo.

« Ity fanampiana ity dia ahafahan’ny zaza miisa 64 000 tratry tsy fanjarian-tsakafo mahazo fitsaboana vonjy aina », hoy ny Ambasadaoron’i Etazonia eto amintsika, Michael Pelletier.

Hampiasain’ny UNICEF sy ny PAM ity famatsiam-bola ity, hividianana sakafo vokatra eto an-toerana, izay ahitana singa manokana mampatanjaka sy manome hery ary natao hanampiana ireo zaza latsaky ny dimy taona ha-hazo lanja haingana. Izao no midika fa tsy mahatoky ny fitondrana izy ireo amin’ ny fitantanana ny fanampiana omeny, fa dia ny fikambanan’ny Firenena Mikambana no misahana an’izany, mba tsy hivily any amin’ny tsy izy ny fanampiana ireo olona sahirana any Atsimo ireo.