Fampidirana ambalafihibohana – Tia vola loatra Vazahabe sy ny ekipany

Ny valafihibohana na fourrière an’ny CUA eny Anosipatrana.

Ny Valosoa

Mihoa-pampana loatra amin’izao fotoana ny fampidirana ambalafihibohana, na fourrière, alain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Natao amboletra fotsiny ny nandaniana izany tao anivon’ny Filankevitry ny tanàna, nandritra ny fivoriana nandaniana azy.

Hatramin’ izay dia manodidina ny 80.000 Ar ny saran’ny fidirana fourrière 10 andro rehefa misy ny fandikan-dalàna. Fa natahoran’ny olona foana izany fidirana ambalafihibohana izany, satria tsy resa-bola ihany, fa tsy zakan’ny olona indrindra indrindra ny fiara tsy hihetsika mandritra ny 10 andro be izao, nefa fiara mpitatitra ohatra.

Amin’izao fotoana izao dia manodidina ny 2.000.000 Ar ny saram-pampidirana ambalafihibohana 10 andro, raha batain’ny fiara ventouse ny fiara. Raha tsia kosa dia manodidina ny 1.800.000 Ar arakaraky ny isan’ny chevaux. Ny fiara tsy lany visite, fiara tsy vita mutation dia hidirana fourrière avokoa.

Arak’izany, tsy ny fampiharana ny lalàna no tsy mety fa ny lalàna dia natao hanitsiana fa tsy natao hanangonam-bola, hita fa tena tia vola loatra ny ben’ny tanàna Vazahabe sy ny ekipany raha jerena ireo sara rehetra alainy ireo.