CCI sy Hotel 5 étoiles – Zava-bita anisan’ny goavana tamin-dRavalo

Ny CCI sy ny Hotel kintana 5 etsy Ivato.

Helisoa

Fitondrana anisan’ny nanao foto-drafitrasa maro ny fitondrana Ravalomanana, nandritra ny 7 taona nahateo azy.

Anisan’ny zavabita goavana tamin’ny fitondràn’ny filoha Marc Ravalomanana ny Hotel kintana 5, na 5 étoiles, sy ny trano fivoriana iraisampirenena CCI Ivato. Natsangana ity fotodrafitr’asa ity tamin’izany fotoana, niomanana handraisana ny fivorian’ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara, saingy rehefa nisy ny fanonganam-panjakàna notarihan’i Andry Rajoelina ny taona 2009 dia foana avokoa izany rehetra izany.

Ny zavadehibe aloha dia vita hatramin’ny farany ny asa fanamboarana ny fotodrafitr’asa ary tsy voakitiky ny mpandroba sy mpandrava, na nisy aza ny feo niely tamin’ireny fanonganam-panjakàna ireny, fa hoe ho dorana tahaka ny natao tamin’ireo orinasa Malagasy sy ny fananam-panjakàna ny CCI Ivato, sy ny Trano Fandraisam-bahiny Kintana 5, saingy narovan’ny mponina teny Ivato sy ny manodidina dia tsy tanteraka izany.

Amin’izao fotoana izao, ampiasain’ny mpitondra fanjakàna hanaovana fivoriana ity fotodrafitr’asa niorina tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana ity, ka maro no mametraka fanontaniana, raha tsy nisy ity trano lehibe ity, dia aiza ny toerana hanaovana fivoriana?

Nahazo fanakianana mafy anefa ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireny fotoana ireny, ankehitriny ao ihany no hivoriana amin’izao fitondràna volomboasary izao, ka tsy ho lokoin’izy ireo “orange” koa ve ny CCI, sy ity Hotel kintana 5 ity atsy ho atsy?