Fanajana lalàna – Misy ny “fototr’olona” sy ny “kitoatoan’olona” eto amin’ny firenena

Ny Valosoa

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-2 amin’ny fivoriana ara-potoan’ireo fahefana mpanao lalàna ny Talata 20 Oktobra 2020 teo, ny talata fahatelon’ny volana oktobra no voatondron’ny lalampanorenana, ka ny fandinihana ny lalàna mifehy ny teti-bola amin’ny taona hoavy no hibahana mandritra ny fivoriana,” session budgétaire” rahateo no iantsoana ny fivoriana, ny tapakandro maraina no nisokatra ny an’ny Antenimierampirenena teny amin’ny Ivontoerana fandraisana fivoriana iraisampirenena (CCI) teny Ivato, ny tapakandro hariva indray ny anny Antenimierandoholona tetsy Anosikely.

Nahitana karazan’olona ny andro voalohany, satria samy naneho hevitra avokoa ireo ankolafin-kery politika misy eto amin’ny firenena momba ny toe-raharaha iainantsika.
Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena dia nanambara fa hiasa mafy ireo solombavambahoaka amin’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny teti-bola, satria hono homena sehatra ny fanatanterahana ny veliranon’ny filohampirenena, nambaran-dRamatoa filoha ihany koa fa, ilaina hono ny fihainoana ny hevitry ny mpanohitra sy ireo eo anelanelany, kanefa ny mahavariana dia notsikerain’ity filohan’ny Antenimierampirenena ity mafy ny hevitry ny mpanohitra mitsipaka ny firosoana amin’ny fifidianana loholona, izay fifidianana manome vahana ireo matahotra ny firosoana amin’ny tena fifidianana madio tokony ho tanterahina any amin’ny faritra sy ny faritany.

Ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa indray, solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny Antoko Tim, dia nitaky tamin’ny minisiteran’ny fitantanambola ny tokony hahatongavana ara-potoana, ny lalàna mifehy ny tetibola, ho eny ampelatanan’ireo solombavambahoaka, mba hahafahana miasa sy mandinika ampitoniana izay voarakitra ao, matetika dia tratra aoriana hatrany vao tonga eny andapa ilay teti-bola, sady soratana amin’ny teny frantsay ny tahirinkevitra mirakitra izany, ny tanjona ho an’ny ministra miadidy ny fitantanambola dia ny hampanaiky mora foana ireo solombavambahoaka, izay efa voataiza tamin’ny fananganan-tanana be fahatany, sady maro amin’ireo depiote koa no tsy mahafehy tsara ny teny frantsay. Nanitrikitrika ihany koa ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa ny amin’ny tokony hisian’ny mangarahara mikasika ny nampiasana ny volambahoaka nandritra ny fitantanana ny aretina koronaviriosy, fa tsy nitsitsy fitenenana ihany koa ity Solombavambahoaka avy amin’ny Antoko Tim ity nanambara fa hadisoana bevava ny fanaovana fahirano ny Antenimierandoholona, izay andrimpanjakana ara-dalàna na “institution de la république”, ka midika ho fanitsakitsahana ny lalampanorenana ny fihetsika nataon’ny fitondrana mpanantanteraka, heloka azo itoriana tompon’andraikitra izany hoy ny Depiote Maitre Hanitra Razafimanantsoa.

Fa mifandraika amin’izay fanaovana fahirano ny Antenimierandoholona izay, dia tsy tahotra tsy henatra Ingahy Minisitra miadidy ny fitantanambola teny Ivato, fa dia nahavita niteny hoe ny vola tokony ho an’ny Antenimierandoholona dia alefa any atsimo iadiana amin’ny kere, sanatria tsy fanamaivanana ny manjo ny mpiray firenena any atsimo, fa ilay fomba fiasa mihitsy no tsy mifanaraka amin’ny fomba fitantanana ny volampanjakana, kanefa dia minisitra miadidy ny teti-bola ilay niteny. Ny sora-bola ho an’ny Antenimierandoholona dia efa nolanian’ireo fahefana mpanao lalàna roa tonta, tsy misy azo ovaina ny fampiasana ilay sora-bola, ary tsy azo avilivily any amin’ny lalan-kafa, ary matoa koa manjaka ny kere any atsimo dia tsy nandray ny andraikiny ireo minisitra sy solombavambahoaka ary loholona avy any amin’ny faritra atsimo, nampahafantatra ny tena zava-misy ary tsy nahavita nandresy lahatra ara-potoana ireo mpanapa-kevitra, kanefa tsy zava-baovao ny kere f’efa nisy foana hatramin’izay, ny azo ambara koa dia nanamaivana ny zava-bitan-dRamatoa Onintiana Realy minisitry ny mponina teo aloha, ka tsy te hanohy ilay tetik’asa efa nahitana fahombiazana ny fitondrana Rajoelina, dia ny vahoaka no mahita faisana.

Fa raha atao mahitsy ihany koa ny filaza azy, dia tsy tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola mihitsy na ilay lalàna lasitra nolaniana tamin’ny taon-dasa, na ny fanitsiana tamin’ity taona ity, ny mikasika ny fitsinjovana ny kere any atsimo, hany ka miafara amin’ny fandikan-dalàna tsotra izao: ny vola natokana ho an’ny andrimpanjakana iray no hamendrofendroana ireo vahoaka any amin’ny faritra atsimo. Amin’ny fitantanana volam-panjakana, rehefa natao hanamboarana sekoly ohatra ny sorabola iray, dia sekoly no atao amin’iny fa tsy azo anaovana zavatra hafa, ka ity familiana ny volan’ny etsy Anosikely ho any Atsimo ity dia tena fandikan-dalàna maha-voasazy, satria fanodinkodinana volam-panjakana.

Ventesina ombieny ombieny fa tany misy lalàna ny eto amintsika, kanefa ireo nantenainkanirina mihitsy no vao maika nampivandravandra amin’ny fanosihosena ny lalàna, ny azo hamehezana azy dia misy ny tena” fototr’olona “manaja toy ny anakandriamaso ny lalàna velona eto amin’ny firenena, fa misy koa ireo “kitoatoan’olona “ manao hevitra taingina, mihevitra ny mpiray firenena ho bado sy dondrona, kanefa dia raisimpotsiny rehefa toriana.