EDITO 22 Oktobra – Raharaham-pirenena – Fitondrana Rajoelina, ipoiran’ny « fanjakan’i Baroa »

Sôh’son

Mampieritreritra fa ipoiran’ny « fanjakan’i Baroa » ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Porofo iray lehibe amin’izany, ny zava-nitranga tany Mahajanga farany tamin’ny alahady teo, nandritry ny fidinan’ny delegasiona mafonja nahitana parlemantera Tim, sy mpitarika politika ny antoko Tim, sy ny avy amin’ny Vondrona Panorama avy aty Antananarivo. Ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny préfet an’i Mahajanga sy avy eo ilay Zandary manamboninahitra teny amin’ny tany malalaky ny Magro any an-toerana indrindra no ilazana izany.

Ohatra iray miharihary ihany koa, ny tamin’ny nambaran’ny filohan’ny holafitry ny mpitsara momba ny zava-misy iainan’izy ireo. Manam-pahefana ireo mpitsara eto amin’ny firenena, kanefa misy mbola manam-pahefana mitsipaka, na tsy mankato izay fahefana ampihariny. Mipoitra araka izany ny « fanjakan’i Baroa » ao anatin’izao fitondrana izay manindrahindra lava fa tany tan-dalàna i Madagasikara.

Ho an’ny tsy mahay na tsy mahalala ny niavian’io teny io sy ny heviny dia mila mikaroka sy mamadika ny boky tantara mirakitra izany ny tenany. Aleo mamaky ny tantara fototr’izany mba tsy ho diso ny fandraisana azy. Ankehitriny rahateo efa misy mitady hanamboamboatra ny tantaran’ity firenena ity. Ny tanjona kendrena ao anatin’izany dia tsy hahalala ny tena zava-misy marina ireo taranaka fara aman-dimby any aoriana. Fahapotehan‘ity firenena ity ny vokatr’izany, ary tsy hahasoa velively.

Ny fisian’ny endri-javatra toy ireny dia mampanahy tanteraka, satria maneho olana eo anivon’ny fitantanam-pirenena. Ny hiafaràny dia ho fanina ny vahoaka ny amin’izay olona henoin-teny sy tokony hankatoavina. Ny dikan’izay, dia hisavoritaka ny raharaha eto amin’ity firenena ity ary hisy fiantraikany any amin’ny fientanam-bahoaka amin’ny seha-pihariana sy asa fampandrosoana hatao. Miseho ho babany anefa izao fitondrana izao ary midehaka fa tsy misy toa azy ny mpitondra nifandimby hatramin’izay. Mihambo fa izy no afaka hanandratra ity firenena ity araka izay efa nanaovany angoan-tenda hatrany am-piandohany. Iaraha-mahita anefa izao ny zava-misy. Ny “fanjakan’i Baroa” tamin’ny fotoan’andro nisiany, dia tsy nahasoa ny vahoaka sy ny fanjakana. Nanana olana lehibe aza ny vahoaka tao anatin’izany.

Tranga roa izao no nisy tamin’ity endri-panjakana hafahafa mipoitra ity. Araka ny fiteny vahiny, tsy nisy roa, raha tsy hisy ny fahatelo. Ho hita eo raha hanamarina izay indray ny tantara.