Ampitan’ny Building Ramaroson – Niharan’ny fanaparam-pahefan’ny CUA ireo mpivarotra

Stefa

Niharan’ny fanaparam-pahefana ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), tarihan’ny ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriantsitohaina, ihany koa ireo mpivarotra tamin’ny box, teo ampitain’ny Building Ramaroson.

Noravan’ny ao amin’ny fiadidiana ny tanàna izany toeram-pivarotana izany na misy aza ny fifanarahana mazava eo amin’ny mpitantana ny CUA teo aloha sy ireo mpivarotra niharan’ny antsojay ireo.

Amin’i Vazahabe sy ny ekipany izany, tsy misy lanjany aminy ny zavatra efa tapaka tany aloha, tsy misy fitohizany ny raharaham-panjakana, manana ny lanjany ara-pitsarana sy ara-dalàna tsara anefa ireny fifanarahana vita tany aloha ireny.

Olana amin’ny mpitantana ny tanàna ankehitriny, miova ny fitondrana, dia heverin’izy ireo koa fa miova manaraka an’izany ny lalàna. Ny lalàna anefa tokana ihany, ka tokony harahana izany, fa tsy tokony ho tsinontsinoavina toy izao ataon-dry Vazahabe sy ny forongony izao.

Lazainy fa tsy manara-dalàna hono ireo mpivarotra amin’ny trottoir, na amin’ny sisin-dalana ireo; ny trottoir eo anoloan’ny Tour Eiffel any Frantsa aza ivarotan’ny olona. Toy izany koa, tsy vitsy ireo mpivarotra amoron-dalana any New-York, fa misy koa.

Manao tsinontsinona ny mpivarotra madinika mihitsy ny CUA amin’izao fotoana, vao manomboka hiarina tao aorian’ny fihibohana ireo mpivarotra dia izao tratran’ny fandravana izao indray ny toeram-pivarotany. Tena tsy misy fijerena ny maha-olombelona mihitsy ny ao amin’ny fiadidiana ny tanàna ankehitriny.