EDITO 20 Oktobra – Filoha Ravalomanana – Tena nitsinjo ny tantsaha maro an’isa

Sôh’son

Miditra vanim-potoanan’ny main-tany isika ankehitriny, amin’izao vanim-potoanan’ny lohataona izao. Fotoana izay sarotra ho an’ny mponina maro, na an-drenivohitra, na ambanivohitra amin’ny rano madio fisotro. Miha-ritra ny rano. Mifandraika amin’izay koa anefa ny fotoam-pambolem-bary. Ao anatin’ny fotoanan’ny fiavàna vary izao any amin’ny faritra maro amin’ny ankapobeny. Mila rano sy orana izany. Misy anefa ireo faritra manana olana amin’izany amin’izao fotoana izao.

Rehefa miresaka fambolem-bary, dia miresaka tantsaha izay. Manodidina ny 80% ny tantsaha eto Madagasikara raha araka ny fantatra hatramin’izay, izy ireo no maro an’isa amin’ny mponina eto amenity Nosy ity. Mazava loatra, fa iankinan’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo, ary fototry ny toekarena. Tsy azo atao ambanin-javatra araka izany ny anjara toerany. Nahalala ny maha-zava-dehibe izany seha-pamokarana izany indrindra ny filoha Ravalomanana Marc tamin’ny fotoana nitondrany ny firenena. Notsinjoviny be dia be ny tantsaha tamin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo. Endrika samihafa no nisehoan’izany. Teo ny fanampiana mivantana toy ny fanomezana masomboly, zezika, na fanamboarana tohadrano, na hatramin’ny lelavola mihitsy tamin’ny fanaovana fifaninanana. Tamin’izany dia tena nisy tantsaha nahavokatra hatrany amin’ny 10 taonina mahery isaky ny hektara.

Famporisihana mivantana azy ireo hamokatra be izany ary natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana tamin’izany isan-taona. Tena nisy fiantraikany be teo amin’ny risipon’ny tantsaha mpamboly izany nataony izany. Ny fitarihana sy famporisihana ankolaka kosa, dia teo, ohatra, ny fanaovana fitaratra na “vitrine” amin’ny fanaovana voly samihafa. Niainga teny amin’ny tany malalaka ankilan’ny lapam-panjakana Iavoloha izany. Tany maina be no navadika ho lasa tanimbary sy tanimboly, ary hita fa tena nahavokatra tokoa. Naseho tamin’izany fa tsy mitombina intsony ilay fitenenana hoe “tany maina ve hirehitra?”. Ilay mirehitra eto dia mahavokatra. Nitarika sy niezaka nanova toe-tsaina ny filoha Ravalomana tamin’izany hoentina hanaingana ny toekarena sy hampandrosoana ny firenena. Io “fitaratra” amin’ny fambolena io dia niaraha-nahita sy nahalala fa niitatra tany amin’ny faritra maro samihafa teto amin’ny Nosy.

Indrisy anefa, foana tarangana izany vao nanomboka ny fanonganam-paanjakana notarihan’i Andry Rajoelina ny taona 2009, fikotrehana fanonganam-panjakana sy fandrombahana ny fitondrana tamin’ny alalan’ny hery. Ain-dehibe iankinan’ny toekarem-pirenena no narodana tamin’izany. Ankehitriny, dia tsy hita soritra mazava izay fitsinjovana sy fanohanana araka izay tratra ny tantsaha mpamboly. Ny tsikaritra aza indraindray dia anaovana antsojay mihitsy izy ireo. Ohatra niharihary amin’izany ny saika nanaovana ny tantsaha teny amin’ny faritr’Ambohitrimanjaka sy ny kaomina manakaiky azy, ka saika nanotofana ny tanimbary manana ny lazany. Misy ihany koa any andrefan’Antananarivo any tantsaha sahiran-tsaina fa miha-hanjakan’ny mpanambola ny tanimbariny amin’ny fanaovana voly hafa, ary tsy mampiraika ny fitondrana ny mamaha ny olan’izy ireo.

Santionany ihany ireo fa maro ireo tranga amin’ny olan’ny tantsaha mpamboly amin’izao fotoana izao. Tsy laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana Rajoelina ny vahaolana amin’izany, tsy ny maro an’isa ny azy no laharam-pahamehana, fa ireo vahiny mpitsentsitra fa tsy hitondra fampandrosoana akory ho an’ny firenena.