AIZA IZAO IREO NOFINOFY ?

Aiza izao ireo nofinofy? misy ve ny mba tanteraka?
Ilay Ambato hoe bevohoka, rahoviana no ho teraka?
Sasa-miandry ny vahoaka izay nomem-panantenana,
Saingy hatreto toa tsy misy izay mba sombim-piovana !

Aiza ho aiza ilay Toamasina be mpitia sy mpankafy?
Ilay efa tena nohiraina fa ho lasa Miami?
Ny tazana ao dia fandravana nolaroina fandrobana,
Fa izay tena fanorenana dia mitoetra ho “fikasana”!

Tranobe mijoalajoala. Aiza ireny? Rahoviana?
Fa ny fototra aza hatreto toa tsy mbola nohadiana!
Mbola tsisy ve ny vola sa vao eo am-pikarohana?
Moa tsy efa be no azo tao anaty fihibohana?

Aiza ho aiza ity Ambato izay kasaina atao Parisy?
Revin-gadra hoy ny maro fa hatreto aloha tsy hisy !
Fanamboaran-dalana aza, mihisatra fa tsy misosa
Ka ahoana no hinoana fa izany no ho tontosa?

“Roaka alika” no mahazo ireo madinika mpivarotra,
Manoloana itony fiainana efa tena mihasarotra.
Saingy ireo vahiny kosa, ireny indray no omena vahana
Ka manao izay tiany hatao, mividy tany an-kahalalahana !

… Aiza izao ireo nofinofy, taona firy no efa lasa.
Ny kabary izay natao dia tsy nivadika ho asa.
Ka dia lozanao mpitondra mampandihy sy mampibitaka,
Fa izao ilay azo ambara ho tena “kobaka” sy “fitaka” !

TSIMIMALO (16-10-20)