Fikambanan’ny Malagasy atsy La Réunion – Hanorina trano feta miisa 80 any Atsimo

Stefa

Manoloana ny fahasahiranan’ireo mponina any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara iny, noho ny haintany sy ny kere ary ny haintrano, hanampy ireo mponina any an-toerana ny fikambanan’ny Malagasy monina atsy amin’ny Nosy La Réunion, avy amin’ny fikambanana Les Indignés de Madagascar sy ny fikambanana Soleil Marmailles.

Misy ireo tanàna tratran’ny kere sy ny haintrano any amin’iny faritra iny, noho ny fahasimban’ny tranon’izy ireo, eny am-body hazo ireo mponina no matory amin’ny alina nanomboka tamin’ny tapaky ny volana septambra ka hatramin’izao.

Tsy mba hitan’ny filoha Rajoelina akory izany tamin’izy nanao “cinéma” tany Atsimo, hoy ireto Malagasy atsy La Réunion ireto, nefa dia tanàna manamorona ny lalam-pirenena…

Saingy izy moa nitaingina helikôptera dia tsy nahita ny tena fahoriam-bahoaka. Noho izany antony izany, nanapak’hevitra ny fikambanana Les Indignés de Madagascar sy ny Association Soleil Marmailles, fa hanampy amin’ny FANORENANA TRANO FETA MIISA 80, HO AN’IRETO MPONINA IRETO. Miantso ihany koa izy ireo ny malala-tanana hanampy azy ireo amin’izany ezaka hataony any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara izany.