EDITO 17 Oktobra – HCC – Tsy mahita ny vahaolana marina momba ity firenena ity

Sôh’son

Manana andraikitra lehibe ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) amin’ireo fanapahan-kevitra raisiny isaky ny voka-pifidianana avoakany, indrindra nanomboka tao anatin’ireo fifidianana nahatongavan’izao fitondrana izao eo amin’ny toerany. Nanambara ny filohany, fa mifamatotra amin’ny fisorohana ny krizy politika mety hisy eto amin’ny firenena no tsinjoviny amin’izay fanapahan-keviny.

Eo anefa dia samy manana ny fiheverany ny amin’izay hoe krizy politika izay. Ho an’ny Hcc dia rehefa tsy misy korontana ve izany dia nety ny fanapahan-kevitra noraisiny? Ho an’ny hafa kosa anefa, na eo aza izany nataony izany, dia misy ny krizy politika rehefa tsy voatsinjo ny heverin’ny hafa fa tokony ho havoakany.

Nanomboka tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, izay nisian’ny fitoriana marobe izay nahitana porofo, kanefa nolavina izany ary nolazaina fa tsy mitombina. Moa tsy olom-pirenena aman-tapitrisany mpifidy na mbamin’ny tsy nifidy koa aza sy ireo efa zatovo fa manaraka ny fiainam-pirenena, no sorena sy feno hatezerana tamin’izany? Nisy ny fitakiana ny fahamarinana momba ny fizotry ny fifidianana tamin’ireny, ary nisy mihitsy aza ny nitondra fanazavana ho an’ny vahoaka teny anoloan’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Nodiana tsy hita sy nikimpiana mihitsy aza ireny fihetsika tokony hampanjakaina eto amin’ny firenena ireny. Amin’ireny fotoana ireny anefa, no torontoronina ny krizy politika eto amin’ny firenena. Ka na nihevitra ny hisoroka krizy aza ny Hcc, raha ny eritreriny manokana, dia tsy izany velively no zava-misy eo anivom-piarahamonina. Miha-mitombo sy mitambatra mivaingana eo io toe-javatra io arakaraky ny zava-mitranga amin’ny fizotry ny fifidianana sy ny fapahan-kevitra raisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Efa fifidianana maromaro izay no notanterahina teto taorian’ny fifidianana filoham-pirenena indroa miantaona. Hita taratra hatrany ilay tsy fitovian-kevitry ny olom-pirenena maro amin’ny Hcc. Misy akony ratsy eo amin’ny fomba fiheveram-bahoaka sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny izany, fa tsy mandeha ho azy na vitavita ho azy amin’izao fotsiny. Miotrika eo anivom-piarahamonina eo io, ary ratsy izany.

Araka izany, raha mihevitra ireo mpikambana eo anivon’ny Hcc, fa nahasoroka ny krizy politika teto amin’ny firenena tamin’izay fanapahan-kevitra noraisiny izay, dia hadisoan-kevitra ihany izany. Mbola mitady hitohy anefa io fomba fiasana io amin’io fifidianana loholon’i Madagasikara kasaina hotanterahina amin’ny volana novambra io.

Raha oharina amin’ny fitsaboana, dia miendrika manala fanaintainana fotsiny ihany no ataon’ny Hcc, fa tsy mahita fanafody mahomby manasitrana ny fototr’aretina. Mbola harary ihany ny marary. Ny fototry ny olan’ity firenena ity tsy voavahany, fa karazany vonjy tavan’andro ihany handaminan-draharaha ao anaty vanim-potoana voafaritra, izay tsy maintsy hipoaka rehefa feno ny fepetra ho amin’izany.