MPAMILY TSY MISY KALITAO

Any ianao ry ilay mpamily mafy loha sy bemarenina,
Ka tsy vonona hihaino sady sarotra tenenina.
Reraka izahay mpandeha, tsy vitsy no efa mitaraina.
Tsy milamina ny dia ka mikorontana ny saina!

Lalan-tsara sy mahitsy no voasoritra hizorana,
Saingy ianao tia misafidy irony lalam-pozaorana,
Dia ny lala-miolakolaka sady tena mahafanina,
Hidedahanao irery saingy tsy hahitanay hanina!

Izato akanjonao, indrisy, miharihary fa nindramina!
Tena hita ho diso refy, hany ianao ka tsy milamina!
Fitafiana nampianjaika ny any Eraopa sy Amerika,
Saingy manavia anao sy tsy fitondra eto amintsika!

Ianao koa moa be sitrapo ka dia ‘zahay mpandeha no valaka,
Fa ianao dia miato lava, faly ny mandihy kilalaka.
Eny an-tany karankaina, eny ianao no miala janona,
Fa ho anao ny tena maika dia ny hifety sy hilanona!

Ry mpamily dedadahy, tsy miasa loha, tsy miasa saina,
Tena marina ilay hoe: ny tonga ihany no arahabaina.
Saingy raha dia ela loatra sy maharitra ny dia,
Ho tonga ihany ireo mpandeha fa be no harary sy hahia.

Koa aza dia variana loatra mampaneno anjomara,
Sy mandefa jiro lava re ry ilay mpamily fiara.
Fanirian’ireo mpandeha ny hoe ho tonga ara-potoana,
K’avelao ny rendrarendra sy ny zavajava-poana!

TSIMIMALO (14-10-20)