Tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena – Tokony haneho hevitra ireo avarapianarana hoy Tax Ramiaranjato

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny mpamakafaka politika tanora, Tax Ramiaranjato ny gazety Ny Valosoa Vaovao mahakasika ny raharaham-pirenena, indrindra ny hanaovana amboletra ny fifidianana senateran’i Madagasikara.

Dinidinika :

Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV) : ho tanterahan’ny fitondrana ihany ny fifidianana senatera ny fahitanao an’izay?
Tax Ramiaranjato (TR) : raha ny didy kofehy lehibe sy didy jadona hita hatramin’izao dia tsy maintsy ho ataony amboletra ny fifidianana Loholona, firifiry ny tsy fifankahazoan-kevitra nisy teo amin’ny samy mpanao politika, fa nahasakana ny mpitondra tsy anao izay tiany sy ny maha metimety azy ve ? Azy ny fanjakana sy fahefana, ka na hamadihany ny lalàna velona sy ny lalampanorenana aza dia tsy maintsy ataony, hiaraha-mahita izany. Satria fifidianana tsy manara-dalàna, dia tsy handray anjara ny antoko politika hafa, mazava ho azy fa ny IRD daholo no ho lany eo. Ny tsara ho fantatry ny mpitondra anefa dia ity, tsy IRD daholo ny vahoaka na terena ho lany aza.

GNVV : inona no fihetsika tokony hananan’ny olom-pirenena amin’izao amboletra ataon’ny fitondrana izao, momba io fifidianana io?
TR : kofehy manara-panjaitra ny olompirenena hatreto, kanefa kosa, misy fetrany ihany izany, eto aho dia manentana ireo avarapianarana sy ireo tanora avarapianarana tsy mpanara-drenirano sy tsy mpisolelaka, mba haneho hevitra fa tsy hiandry fotsiny toy ny vatolampy angerezam-borona lava izao. Manaiky matoa tsy miteny, ka anaiky ny tsy mety lava izao ve ? Anjaran’ny olompirenena koa no mampanara-dalàna ny mpitondra rehefa misy mibirioka, adidy izany.

GNVV: hahena 18 ny Loholona, fanomezan-danja ity andrim-panjakana ity ve izany?
TR : araka ny lalampanorenana dia ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera, mazava izany fa tsy azo foanana ity farany, hevi-taingina izany eto ilay propagandy manao hoe ho foanana ny Antenimierandoholona. Izao indray hoe ahena 18 ny isan’ny loholona kanefa 63 teo aloha. Dia mino ve isika fa hahahasolo tena ny vondrom-bahoaka itsinjarampahefana, sy ireo vondron-draharaha ara-toekarena ary ara-tsosialy ireo loholona 2 isam-paritra ireo ? Raha izany, maninona koa raha ahena atsasany ny isan’ny minisitra sy solombavambahoaka dia ho hitatsika ny tohiny raha mety ? Samy “budgetivore” ireo tompoko, sa ny sasany tsy avela hihinana fa ny hafa tsy maninona ?

GNVV: ahoana ny fahitanao ireo andrimpanjakana samihafa misy eto amintsika amin’izao fotoana?
TR: mila averina eto amin’ny tany sy ny firenena ny fisaraham-pahefana “séparation de pouvoir”, satria hita fa mijabaka amin’ny fahefana mpanao lalàna ny fahefana mpanatanteraka, porofo miharihary ilazana fa misy ny tsy fanarahan-dalàna. Ary aoka re mba hajanona hatreo ny teritery atao amin’ny andrimpanjakana sy ny rafitra rehetra misy toy ny HCC sy CENI, mila tsaroana lalandava fa tsy tokony hataon’ny mpitondra fitaovana ireo.

(Sary: Tax Ramiaranjato, mpamakafaka politika)