Tsangambaton’ny Filoha Zafy Albert – Manentsin-keloka ny fitondrana Rajoelina

Ny Valosoa

Tamin’ny fotoana nitantanan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana an’Antananarivo, no nampitondrain’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra ny anaran’ny Pr Zafy Albert, ny lalana miainga eo antampon’Alarobia, mandalo eo anoloan’ny Villa Elizabeth, mihodina miankavia ary midina dia mandalo eo amin’ny Villa La Franchise, fonenan’ny Pr Zafy. Efa nisy ny fikasan’ny Kaomina hametraka ny tsangambato ho an’ity Filoha ity teo Antaninarenina, saingy tsy raikitra fa nolavin’ny fitondrana ankehitriny, nambara tamin’izany fa toerana hafa no hametrahana ilay tsangambato, dia io iaraha-mahita io fa eny amin’ny Kianjan’Ambohijatovo izany no najoro ilay izy ary ho tokanana rahampitso Alarobia 14 Oktobra 2020, nahazo ny fankatoavan’ny maro an’isa tao amin’ny Filankevitry ny tanànan’Anatananarivo Renivohitra ny fitokanana io kianja io.

Ny Pr Zafy Albert dia fantatra amin’ny toetrany saro-piaro amin’ny fihavanana malagasy sy ny fahamarinana, izay indrindra no nampisy ny olana taminy sy ny fitondrana tetezamita notarihan’ny filoha ankehitriny.

Samy nahatadidy ny mpanara-baovao rehetra ny fisian’ireo fihaonana nandraisan’ny Ankolafy efatra anjara tany amin’ireo Renivohitry ny firenena Afrikana maro, intelo miantoana ny tao Maputo Renivohitr’i Mozambika, tamin’ny fihaonana faharoa tao Maputo no nosoniavina ny “Charte de Maputo” sy ny “ Accord politique “, nanao sonia ireo fifanarahana ireo ny filoha isany : Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana, Rajoelina, tsy nety tafatsangana anefa ireo rafitra tetezamita, ka dia nampiantso fihaonana Maputo3 indray ny Filoha Chissano, namaly ny fanasana ireo Ankolafy Telo, tsy tonga ry Rajoelina sy ny ankolafiny, mbola tsy tanteraka ihany koa ny fananganana ireo rafitra tetezamita, tsy vitan’izany fa noraran’ny Filohan’ny Fat Rajoelina, tsy nahazo nody ireo delegasiona avy amin’ny Ankolafy telo, ny Filoha Ravalomanana no nandray andraikitra nampiantrano ireo delegasiona tany Pretoria, marihina fa anisan’ireo tsy navela hody an-tanindrazany ny Filoha Zafy Albert tamin’izany. Nisy indray ny fihaonanan’ireo ankolafy 4 tany Addis- Abeba Renivohitr’i Ethiopia, voatendry avokoa ireo lehiben’ny andrimpanjakanan’ny tetezamita.

Ny Pr Zafy Albert no neken’ny rehetra ho filohan’ny CRN na Filankevitrin’ny Fampihavanampirenena, kinanjo nony tonga taty Madagasikara, dia nivadian-dRajoelina indray ny sonia nataony, ka dia rava izay rehetra tapaka tany Addis Abeba, tsy nankasitraka ny fitantanan’ny Pr Zafy ny CRN Ingahy Rajoelina, mbola tsy kivy ireo ankolafy 3 ary naneho ny fandeferany tanteraka satria nahatsapa ny fijalian’ny vahoaka Malagasy, niafara tamin’ny fanaovana sonia ny tondrozotra ny resaka, nametrahana ireo rafitra tetezamita, ny Filohan’ny Fa t no lasa Filohan’ny Tetezamita, olon-kafa no notendren’Ingahy FiIoha ho filohan’ny Crn, fa tsy ny Pr Zafy Albert.

Kianjan’ny demokrasia sa Parc Botanique

Mikasika ny Kianjan’Ambohijatovo indray dia ny 17 Janoary 2009 no nanaovana azy ho “kianjan’ny demokrasia”, ny filoha ankehitriny izay ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra tamin’izany no nanao ny fitokanana, nanambara izy tamin’izany, fa kianja natao hanehoan-kevitra tsy ilana fangatahana amin’ny Kaomina na ny prefektiora, fa misokatra midanadana ho an’izay te haneho hevitra. Ny 24 Janoary 2009 no niditra farany teo Ambohijatovo ry Rajoelina, satria taorian’io ny 26 Janoary 2009 dia efa teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey no nifamory, ka ny” Alatsinainy mainty” nisian’ny fandrobana ny vako-pirenena sy ny fananan’olontsotra no natomboka vao niditra tao amin’ny Kianjan’ny 13 Mey.

Ny Sabotsy 21 Martsa 2009, nametrahana an-dRajoelina tao Mahamasina no nanomboka ny hetsiky ny vahoaka teo Ambohijatovo, nitaky ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana, vahoaka tsotra tsy mbola nisy mpanao politika sy olomboafidy no nijoro voalohany sy nitarika teo, anisan’izany izahay mpanao gazety ato amin’ny Gazety Valosoa, ny alatsinainy 23 Martsa 2009 dia nafana ny hetsika, tonga namaly ny hetsi-bahoaka ireo mpanao politika sy olomboafidy, niditra mivantana ny Filoha Ravalomanana avy any ivelany tamin’ny antso an-tariby, tsy vitsy ireo latsa-dranomaso nandre ny feon’ny Filoha Ravalomanana, taty aoriana dia noraran’ny fitondrana Fat ny famoriambahoaka tao, ka lasa nandrasana mpitandro filaminana mirongo fiadiana ilay “kianjan’ny demokrasia”, lasa kianja voarara.

Ny 17 Janoary 2012 dia tonga tao Ambohijatovo ny Pr Zafy Albert, nikasa hametraka fehezamboninkazo tao amin’ilay kianja, saingy voararan’ny tompon’andraikitra tao amin’ ny Emmoreg, ny tenan’ny Jeneraly Ravalomanana Richard no nandrara azy, sy naka ireo fitaovam-piadiana tany an-tanan’ireo mpitandro filaminana izay mpiaro ara-dalàna ny Filoha Zafy Albert. Ny nataon’ny Filoha Zafy Albert mivady dia ny nametraka ilay fehezamboninkazo teo amin’ vavahady andrefan’ny kianja, vita izay dia nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, ka tratran’izany izy mivady ray amandreny mendri-kaja, tsy tamin’io ihany no nisehoan’izany, fa mbola tratran’ny lakrimozena koa teo Anosy taty aoriana ny Filoha Zafy Albert, raha nanatitra ny fitoriana mikasika ny raharaha andramena , izay marihana fa tsy azo raisina na “irrecevable” ny fitoriana hoy ny fitsarana ambaratonga voalohany tamin’izany.

Ho tokanana ny tsangambato ho fanomezamboninahitra ny Filoha Zafy Albert eny amin’ny Kianjan’Ambohijatovo rahampitso 14 Otobra 2020, ny mpitondra ankehitriny no mikarakara izany, izay fantatra fa nitsivalana hatrany ny nitantanan’ny Filoha Zafy ny fampihavanampirenena, ary tsy mankasitraka hatramin’izao ny fampiharana ny fampihavanampirenena tena izy, araka ny tolo-kevitry ny Filoha Zafy dia ny fanomezana lanja ny fahamarinana sy ny fihavanana na “verité et reconciliation”, satria ity Ray amandreny ity dia tsy nankasitraka hatramin’izay ny fandrobana ary tsy sasatra nitaky ny fahamarinana mikasika ireo herisetra tamin’ny fanonganam-panjakana sy ny fitondrana tetezamita, ary amin’izao fotoana izao dia mbola mitohy hatrany ny fandrobana ny orinasa tantanan’ny teratany malagasy, izay fihetsika mifanohitra amin’ny fampihavanana nimatimatesan’ny Pr Zafy, tsy mbola misy resaka ny fanonerana ireo niharamboina sy rava fananana araka ny voalaza ao amin’ny tondrozotra. Ny fitondrana foibe no vato misakana amin’izany, ny azo ambara dia fihatsarambelatsihy fotsiny ihany ilay fananganana tsangambato, fa tsy misy ny faharesen-dahatra amin’ny foto-kevitra nijoroan’ny Filoha Zafy Albert, ary ambonin’izany dia manentsi-keloka ny mpandroba firenena sy mpamafy ny fifankahalana eto amin’ny firenena, ka ny anaran’ny Ray amandreny Zafy Albert no atao fitaovana fanadiovantena.

Tsetsatsetsa tsy aritra ety ampamaranana, mbola ho “ kianjan’ny demokrasia “ ve ny eny Ambohijatovo sa ho “Parc botanique” ?